« Le peuple malagasy est pris en otage. L'État de droit et la démocratie doivent être restaurés. Je demande votre aide pour sauver Madagascar. » Président Marc RAVALOMANANA
Madagascar : jours de dictature. La liberté d'expression est en danger à Madagascar : la Radio Fahazavàna est toujours séquestrée, des prisonniers politiques croupissent illégalement dans les geôles des putschistes, l'opposition est bâillonnée. Libérez la démocratie !Madagascar : jours de dictature. La liberté d'expression est en danger à Madagascar : la Radio Fahazavàna est toujours séquestrée, des prisonniers politiques croupissent illégalement dans les geôles des putschistes, l'opposition est bâillonnée. Libérez la démocratie !
15/02/2012 : Fanenjehana « légalistes » : samborina aloha dia ho hita eo …
Ny fomba fanaon’ny mpanongam-panjakana hatramin’ny 2009 dia misambotra izay manelingelina azy aloha vao mitady ny fomba hanamelohana azy ireo. Ny volana Aprily 2009 ohatra dia nosamborin’ny CNME notarihin’ny Cdt Charles tamin’izany fotoana izany ny olom-boafidy efatra mirahalahy avy any Vakinankaratra. Tamin’io fotoana nisamborana azy io dia nolazaina fa nizara vola sy basy teo Ambohijatovo izy ireo . Rehefa niakatra fitsarana anefa ny raharaha dia fanimbana fananan’olona no niampangana azy ireo ary tsy hita popoka ilay vavolombelona nolazaina fa nahita maso ny resa-bola sy basy.
Mitovy tsy misy valaka amin’izany ny fisavana natao andro maizina tao amin’ny tranon’i Tojo RAVALOMANANA.
Notapahina hatramin’ny jiro manazava ny tanàna mihitsy mba tsy hisy hahita ny teti-dratsy nokarakarain’i Nakany sy ny namany. Tao anatin’izany indrindra no namoronana ity fehin-drongony nolazaina fa hita tany amin’ny tranon-tsoavaly ity. Tsy vitan’ny tsy fanajana ny zon’ny tompon-trano ny tsy famelana azy hiantso ny mpisolovava azy farafaharatsiny fa manakana ihany koa ny fanamarinana ny zava-misy. Raha toa ka marina fa nisy rongony tao Manjakatompo dia tsy afaka niala tamin’izany Tojo RAVALOMANANA sy ny ankohonany raha nanatrika ny mpisolovava azy. Saingy tamin’ity indray mitoraka ity dia ny DST no nanao izay saim-pantany tao amin’ny tananan’olona novakiany ary hitan’ny rehetra ihany koa ilay vehivavy nitondra fiara manokana niaraka tamin’ny fonosan-javatra iray ary nanolotra izany tamin’ireto polisy politika mandray baiko avy amin’i Haja Resampa ireto. Tokony maka toerana hisainana tsara ny Kaomisera Nakany Charly dia mieritreritra lalina sy manontany tena hoe iza no mety hino izay lazainy satria ny valiny dia … « tsy misy ».