Asehoy ahy ny namanao itsarako ny toetranao. Samy isika, samy malagasy isika fa tena mahamenatra tsy fampiseho masoandro ny zavatra nitranga teny Ivato, omaly. Dia nanana ''insolite'' tokoa moa ireo haino amanjery vokatry ny fitondran-tenan'ireo mpizaika e ! Dia mampanongo tena e ! very tanteraka ny soatovina Malagasy eo amin'ny fifanajana.
Araka ny efa notaterana azy teto dia lasa 4000 ireo mpandray anjara, raha 2500 no namisavisàn'ny mpikarakara azy tany am-boalohany. Dia nisy ireo sorena satria efa nanaraka ny dinika santatra hatramin'ny volaohany saingy tsy tanaty lisitra fa voasolo olona hafa tamin'ny fanombohana. Sakoroka hoy ny tanora ny teo am-pidirana tamin'ny fakàna "badge" satria dia mazava ho azy fa maro ireo olona tsy nanana izany. tsy omby olona indray avy eo ny efitrano ka dia nisy ireo voatery tsy maintsy nibata seza ary nijanona tany an-tokontany. Ary ny tena nampanongo-tena dia niverina indray ny sakoroka
teo nandritra ny fisakafoanana. Toy ny andiam-balala e, maizina ny latabatra, iray minitra monja dia nanjavina ny sakafo. Raha rano iray isan'olona no anjara dia... aoka ny sary no hameno azy.
Dia izay tokoa e, ny feo sy ny lalan'ny sefony (la voix/ voie de son maître). Taratry ny toetry ny mpitondra izao fisehoan-javatra izao.
Soa ihany aloha fa tsy nisy teratany vahiny tonga tany raha tsy izany dia efa nahazo anarana hafa indray ny vahoaka malagasy satria hono "ireto no misolo tena azy" ?