Ireo mba manan-katao no afaka manaraka azy tsara ao amin’ny Canal Austral, televiziona mandeha mivantana avy any La Réunion. Ary ny TV Viva izay mandeha amin’izany Canal Austral izany no mandefa io dokam-barotra io. Amin’io tranokala plage.madagascar.com no hahazaona mividy morontsiraka sy morondranomasina eto madagasikara amin’ny vahiny. Mampalahelo fa dia tsy misy mahalala ity varotra ambongadiny ity isika teratany Malagasy. Ahiana mafy mihitsy ho tsy hanana fahefana amin’ny tanindrazany intsony ny Malagasy anatin’ny taona vitsy na mandritra ny hipetrahan’ny Fat eo amin ‘io toerana io.
Foulpointe: efa ho lasa ihany koa?
Tsy misy izay tsy velon-taraina ireo mpaka rivotra any Foulpointe amin’izao fotoana. “Isaky ny vakansy dia ohatr’izao foana no mitranga aty” hoy Line zana-tany. Satria dia tapaka lava ny jiro ary ireo toerana manamorona ny ranomasina izany hoe ireo feno ireo foto-drafitr’asa mpandray vahiny sy hotely no tena lasibatra amin’izany delestage izany. Ny Alakamisy tokony ho tamin’ny 10 ora maraina ohatra no tapaka ny jiro ary dia tsy niverina raha tsy ny Zoma atoandro. Fa tsy izay ihany, fa dia mateti-pitranga ity fahatapahan-jiro ity noho ny antony tsy dia voafaritra mazava loatra. Sahala amin’ny hoe atao mihitsy izay tsy hahatamana ny vahiny mba tsy hahalasa azy ho isan’ireo toerana ankafin’ny mpanao vakansy. Ny tanjona amin’izay dia tsy hisy ho any Foulpointe intsony ny Malagasy dia hamidy amin’ny ambongadin’ity tànana malaza sady ankafin’ny Malagasy ity.
Sahia manao Tsia!!!
Tsiahivina fa dia resaka fivarotana tany amin’ny vahiny no isan’ny nanenjehana ny filoha Ravalomanana ny taona 2009. Tamin’izany fotoana dia tsy nekena mihitsy raha tsy niala tamin’ny toerany ny filoha voafidin’ny vahoaka Malagasy satria dia hoe nanota fady satria ny tanindrazana mihitsy no atao tsinontsinona, na dia nisy aza ny porofo mazava fa tsy marina ireo voalazan’ny TGV rehetra teny an-kianja, fony izy mbola ninoan-teny. Ankehitriny, porofo mitohaka amin’ny tenda io plage.madagascar.com io ary ny tv Viva mihitsy no mandefa azy ao amin’ny Canal Austral.
Dia ho avela ho rano raraka an-tany ve ity zavatra mamoafady ity ry Malagasy mpiray tanindrazana. Avela ho lasan’ny vahiny ve ny tanindrazana ka sanatria lasa ny taranaka Malagasy indray no handeha hanofa na hividy ny tany amin’ny vahiny izay tsy hanana tanjona afa-tsy ny haha taningazana ny firenena Malagasy?
Indramina etoana ny dokam-barotra malaza iray hoe “Sahia manao Tsia”