Flash News: 
Confirmation de soutien au Président Marc Ravalomanana
HMF : fahasahiana no dingana manaraka (+vidéo)
Hetsika Free FM : atao haza lambo ireo mpitarika
Vondron’ny mpanohitra : tsy manaiky ny hamindrana ny Kianjan’ny Demokrasia (+vidéo)
19 Mey 2012 : faritra mena ho an’ny zanak’i Dada ny eny Ambohijatovo (+vidéo)
Radio Fahazavana : son directeur et Lolot Ratsimba condamnés …
VHF-TV : fanambaran-kery sy fiaraha-mihetsika … ho an’ny tetezamita vaovao (+vidéos)
Ry Malagasy, ahirato ny maso ... misy "mafia" eto amintsika
Ankolafy Zafy Albert : tsy hiray tsikombakomba amin’ny mpamita-bahoaka (+vidéos)
Vondron’ny mpanohitra : « Avereno amin’ny vahoaka ny Kianjan’ny demokrasia » (+vidéos)


Fa iza marina no tena vahoaka? Iza no tena manana azy ? Amin’izao mantsy dia samy mampiasa io teny vahoaka io avokoa, ary ventesina isaky ny mihetsika io teny io. “tsy hidera vady mahay mandihy fa aoka ny sandry no hilaza azy” hoy ny député Zafilahy. “Aty amin’ny mpandala ny ara-dàlana ny tena misy ny vahoaka ankehitriny”. Nanamafy ity filohan’ny vondron’ny parlementera TIM ity “fa dia tafika voavidim-bola no nanongana ny filoha Ravalomanana, fa tsy vahoaka izany”. Noporofoiny moa izany tamin’ny fisian’ny hetsika lehiben'ny mpandàla ny ara-dalàna teo Ambohijatovo ny 21 Mars 2009. Tsy izay ihany anefa fa isaky ny misy ny hetsika momba ny filoha Ravalomanana dia hipoaka hatrany ny toerana. Nampahatsiahiviny ny teny Mahamasina, Ambohijatovo, Magro. Raha atao ny fanisàna dia maro an’isa ireo olona mandalàa ny ara-dàlana, saingy “rahonana amin’ny basy izy ireo hany ka tsy sahy mipoitra. Lahy tokana ny aina”. 