« Le peuple malagasy est pris en otage. L'État de droit et la démocratie doivent être restaurés. Je demande votre aide pour sauver Madagascar. » Président Marc RAVALOMANANA
Madagascar : jours de dictature. La liberté d'expression est en danger à Madagascar : la Radio Fahazavàna est toujours séquestrée, des prisonniers politiques croupissent illégalement dans les geôles des putschistes, l'opposition est bâillonnée. Libérez la démocratie !Madagascar : jours de dictature. La liberté d'expression est en danger à Madagascar : la Radio Fahazavàna est toujours séquestrée, des prisonniers politiques croupissent illégalement dans les geôles des putschistes, l'opposition est bâillonnée. Libérez la démocratie !
11/01/2012 : Ambohitsaina : miainga any amin’i TGV ny olana (+vidéos)
“Ny tsy fahaiza-mitantana ao amin’ny fitondrana no fototry ny olana ety Ankatso” hoy ny solotenan’ny mpianatra. Nanao sonia ny minisitry ny vola tamin’ny fiandohan’ny taona mikasika ny hamoahana ny vola ho entina mampiodina ny anjerimanontolo saingy tsy voatana hatramin’ny farany izany satria misy ireo sampam-pampianarana tsy mbola manana “budget de fonctionnement” ary ny karaman’ny mpampianatra mpikaroka dia tsy mbola voaefa ara-dalàna nefa isan’ny vondrona mampiodina ny tontolon’ny fampianarana ambony. Samy melohin’ny mpianatra avokoa ny fihetsiky ny mpitondra sy ny fihetsiky ny mpampianbatra mpikaroka noho ny tsy fitsinjovana ny fianaran’ny mpianatra.
Raha ny kajy nataon’ireo mpianatra anefa dia 0,2%n’ny tetibolam-panjakana monja ny an’ny fampianarana ambony.
Misy fizarazarana eo amin’ny mpianatra
Misy fahasamihafana raha ny fahitana ny fomba fitondana ny hetsika eny amin’ny anjerimanontolo satria toa misy ny vondrona sasany te-hivatratra ary misy kosa ireo maka milamina ary miandry sy mitazana ny zava-mitranga. Raka ny vaovao voaray dia saron-tava ihany ny an’ireo miseho mahery fihetsika satria mandry vola avy amin’ny olona akaiky ny FATE ary natao « handamina » ny hetsika eny Ambohitsaina. Nahagaga tokoa fa tamin’ny 11 ora atoandro teo ho eo dia nanapa-kevitra ireto « mahery fihetsika » ireto fa hanantona ny ny filohan’ny oniversite satria « manana vaovao » hambara amin’izy ireo hono izany tompon’andraikitra izany.