« Le peuple malagasy est pris en otage. L'État de droit et la démocratie doivent être restaurés. Je demande votre aide pour sauver Madagascar. » Président Marc RAVALOMANANA
Madagascar : jours de dictature. La liberté d'expression est en danger à Madagascar : la Radio Fahazavàna est toujours séquestrée, des prisonniers politiques croupissent illégalement dans les geôles des putschistes, l'opposition est bâillonnée. Libérez la démocratie !Madagascar : jours de dictature. La liberté d'expression est en danger à Madagascar : la Radio Fahazavàna est toujours séquestrée, des prisonniers politiques croupissent illégalement dans les geôles des putschistes, l'opposition est bâillonnée. Libérez la démocratie !
10/09/2010 - Fihaonam-be pirenena : tsy nahomby ny tetiky ny Fate, vola very maina indray ireo 2 mialara(+Vidéos)
Very hevitra tanteraka ny Fate ankehitriny. Tsy mety mandray anjara amin’ny fihaonam-be pirenena ny ankolafy telo ary dia nohamafisin’izy ireo izany nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety androany. Omaly hariva dia nampihaonina teny amin’ny Nonce Apostolique ireo solontenan’ny ankolafy efatra. Hevitra avy amin’ny ray aman-dreny mijoro ity fampihaonana ity ary ny Nonce Eugène Martin Nugent dia mpampiantrano fotsiny ihany. Tsy nahomby anefa ny dinika satria dia samy nijoro tamin’ny heviny ny roa tonta Andry Rajoelina tetsy andaniny, ny ankolafy telo notarihin’ny Pr Zafy Albert niaraka tamin’ny Pr Ange Andrianarisoa sy Fetison Rakoto Andrianirina tetsy an-kilany. Nanamafy ny fanambarany hatramin’izay ny ankolafy telo, dia “ny tokony hisian’ny fahatoaniana ara-politika mialohan’ny hisian’ny dinika, ka anatin’izany ny famotsorona ireo gadra politika rehetra, ny fanafoanana ny fanenjehana sy ny fanagadrana ary ny fampodiana ireo filoha roa lahy”. Nisy moa androany ny fivoriana lehibe nokarakarain’ny ankolafy telo teny amin’ny Carlton, ka nanasana olona 600 mahery avy amin’ny faritra manerana ny Nosy. Nentina indrindra hanazavana ny paik’ady ny ankolafy telo ity fivoriana ity mba tsy hilazana indray fa dia “avy amin’ny ankolafy telo ny sakana”.
Fa mampisalasa be ihany hoy ny filohan’ny delegasiona avy amin’ny ankolafy Ravalomanana ny famotsorana tampotampoka teo ireo mpiasan’ny Radio fahazavana. Ny teo ihany anefa no teo satria dia nidina indray ny radio iray an’ny légaliste any Antsirabe.