09/02/2012 : 07 Febroary 2009 : nisy Jeneraly Frantsay tao ambadika …

 

Araka ny antotan-tararatasy miendrika tatitra nataon’ny Jly Raoelina dia nisy jeneraly Frantsay isan’ny nikarakara ny fanomanana iny fitondrana olona hatao sorona tamin’ny 07 Febroary 2009 iny. Telo taona aty aoriana dia mbola mitohy hatrany izany ary vao maika mihombo aza. Isan’ny nanenjehana ny Filoha RAVALOMANANA io fony teo amin’ny fitondrana izy. Nolazaina fa mersenera ireo mpampiofana swazilandais niaraka tamin’ny EMMOREG.

Sary androany

Ny fandotoana ny fitondrana RAVALOMANANA manontolo dia efa nomanina fotoana maro fa tsy kisendrasendra velively. Eny na dia ny tetika nandrobana sy nandorana an’Antananarivo aza dia efa vita lamina mialoha. NIjoroan’i Olivier Rakotoavazaha vavolombelona fa tsy teto an’drenivohitra mihitsy ny Filoha RAVALOMANANA tamin’io sabotsy 07 febroary io. Nihaona tamin’ny Filoha ny tenany tamin’io andro io, hoy Rakotovazaha, ary nilaza ny Filoha RAVALOMANANA fa « lasa tany amin’ny fampandrosoana avokoa ny ankamaroan’ny volam-panjakana ka zary nihena ny momba ny fitaovan’ny tafika ». Taorian’ny dinika moa dia voalaza fa nandray sidina ho any amin’ny Faritany Mahajanga ny Filoha noho izany dia tsy misy porofo milaza fa izy no nanome baiko ny mpiambina ny Lapa satria manelilngelina ny mpanamory raha mampiasa finday any anaty helikoptera koa tsy afaka nampiasa izany hampitany baiko ny Filoha RAVALOMANANA .