« Le peuple malagasy est pris en otage. L'État de droit et la démocratie doivent être restaurés. Je demande votre aide pour sauver Madagascar. » Président Marc RAVALOMANANA
Madagascar : jours de dictature. La liberté d'expression est en danger à Madagascar : la Radio Fahazavàna est toujours séquestrée, des prisonniers politiques croupissent illégalement dans les geôles des putschistes, l'opposition est bâillonnée. Libérez la démocratie !Madagascar : jours de dictature. La liberté d'expression est en danger à Madagascar : la Radio Fahazavàna est toujours séquestrée, des prisonniers politiques croupissent illégalement dans les geôles des putschistes, l'opposition est bâillonnée. Libérez la démocratie !
Tsy mbola naverin’ny fanjakana sy ny fitantantanana ny oniversite ny vola 10000 Ariary isaky ny mpianatra hatramin’izao. Tamin’ny fidirana 2010-2011 dia nampiakarina ny saran’ny fisoratana anarana hiditra eny amin’ny anjerimanontolo. Noho ny fahataran’ny fidirana anefa dia nampiaka-peo ny mpianatra ary isan’ny notakian’izy ireo ny famerenana io ambony apanga tamin’ny fisoratana anarana io. Nanaiky izany ny ministra tomponan’andraikitra tamin’izany fotoana saingy hatramin’izao dia tsy mbola voarain’ny mpianatra izany volany izany. Isan’ny fitakiana entin’ny mpianatra ankehitriny ny famerenana izany volan’izy ireo izany mba ho marikiny ny fanajana ny teny nifanomezana .
Hidina … “esplanade” farafahakeliny ! Manoloana ny fikatsoana tanteraka eny amin’ny tontolon’ny fampianarana ambony dia nanapa-kevitra ny handray andraikitra indray ny “associations pédagogiques” eny Ambohitsaina. Amin’ny Alarobia ho avy izao dia hanatanteraka fivoriam-be miaraka amin’ny mpianatra rehetra izy ireo handraisana fepetra manoloana izao toe-draharaha izao. Isan’ny tena mikaikaika amijn’izao fotoana ireo mpianatra avy any amin’ny Faritra mandranto fianarana eto an-drenivohitra na ny mifamadika amin’izany. Tao anatin’ny fitokonana nataon’ny mpampianatra mpikaroka mantsy dia tsy mbola fantatra mazava ny tetiandro amin’ny fiatrehana ny fanadinana isan-karazany. Noho izany dia tsy afaka miverina amin’ny Faritra niaviany ireo mpianatra ireo ka voatery nanao fety lavitra ny fianakaviana.
Raha ny fantatra anefa dia tsy mbola ato ho ato no hiverina amin’ny laoniny ny fampianarana ambony satria, ankoatran’ny tambin-karama isan-karazany, dia mbola nisy tamin’ireo mpampianatra mpikaroka no tsy mbola nandray karama hatramin’ny volana jiona 2011 no mankaty. Hiatrika fivoriam-be nasionaly ihany koa noho izany ireo mpampianatra mpikaroka rahampitso talata 10 janoary ary handefa solontena avokoa ny oniversite dimy ankoatra an’Antananarivo mpampiantrano.