Flash News: 
Confirmation de soutien au Président Marc Ravalomanana
HMF : fahasahiana no dingana manaraka (+vidéo)
Hetsika Free FM : atao haza lambo ireo mpitarika
Vondron’ny mpanohitra : tsy manaiky ny hamindrana ny Kianjan’ny Demokrasia (+vidéo)
19 Mey 2012 : faritra mena ho an’ny zanak’i Dada ny eny Ambohijatovo (+vidéo)
Radio Fahazavana : son directeur et Lolot Ratsimba condamnés …
VHF-TV : fanambaran-kery sy fiaraha-mihetsika … ho an’ny tetezamita vaovao (+vidéos)
Ry Malagasy, ahirato ny maso ... misy "mafia" eto amintsika
Ankolafy Zafy Albert : tsy hiray tsikombakomba amin’ny mpamita-bahoaka (+vidéos)
Vondron’ny mpanohitra : « Avereno amin’ny vahoaka ny Kianjan’ny demokrasia » (+vidéos)


Manamarika ny faha-100 taonany ny antoko « African National Congress” na ANC atsy Afrika Atsimo. Filoham-pirenena maro no tonga niatrika izany fankalazana izany omaly. Isan’ny nomena haja manokana niaraka tamin’ireo mpitondra Firenena maro aty Afrika ny Filoha RAVALOMANANA Marc ary nasongadin’ny haino aman-jery vahiny malaza maro ny fanatrehany izany lanonana izany. Tsy nisy niresaka momba ny mpanongam-panjakana kosa anefa ireo mpanao gazety ireo na dia nilaza aza I TGV fa nasain’I Jacob Zuma hanatrika izao fankalazana izao.
Ny 8 janoary 1912 no niorina ny ANC nentina indrindra nanoherana ny fanavakavaham-bolon-koditra nahery vaika tatsy Afrika Atsimo. Am-polontaonany maro no niadiany ho an’ny fitovian-jo eo amin’ny mainty hoditra sy ny fotsy hoditra. Nitarika ny ANC tamin’izany Nelson Mandela ary nigadra 27 taona tany an-tranomaizina vokatr’izany tolona izany. Tsy nampihemotra ny mpikatroka ANC anefa izany ary nahitam-bokany satria ny taona 1994 dia lany Filoha mainty hoditra voalohany nitondra ny Repoblikan’ny Afrika Atsimo Nelson Mandela rehefa nivoaka ny fonja ny 11 febroary 1990.