Hatreto aloha dia tsy mbola nilaza ny heviny mikasika ny zava-misy omaly sy androany ny Filoha RAVALOMANANA. Hatreo amin’ny fidiran’ireo ministra tamin’ny anaran’ny Ankolafy tarihiny izy no niloa-bava farany. Indrindra raha mbola natao hazalambo ihany ny zanany lahy haivo na dia efa mba niditra anaty fitondrana aza ireo mpanara-dia azy. Tamin’izay fotoana izay dia nilaza mazava ny Filoham-pirenena fa « rehefa tsy mety amintsika dia mialà tao ».
Andro vitsy taorian’izay dia nivoaka ny lisitr’ireo izay ho parlemanteran’ny tetezamita ary voalaza fa nanolotra ho tendrena amin’izany ny Ankolafy RAVALOMANANA. Teo dia niakatra ny feon’ny vahaoka satria nahatsapa ny maro fa faty antoka ho an’ny tolona ny zava-misy. Tsy mbola nisy manko ny fahafaham-po azo nefa sanatria toa hisisihana ity ho CST sy CT. Manginy fotsiny ny fahitan’olona politisiana efa niova lasy nefa mbola ampitondraina ny anaran’i Dada ihany.
Rehefa nitangoronan’olona ny olom-boatendry iray dia nilaza fa « Prezida RAVALOMANANA no nanao io listra io ary Guy Rivo no nampitondrainy izany avy any Afrika Atsimo ka tsy misy azonay kitihina intsony». Nolavin’ny mpitondra tenin’ny Filoha RAVALOMANANA izany ary efa nozaraina tamintsika fa tsy nitondra listra ary tsy nahalala ny momba izany mihitsy ny tenany. Nanome toky ireo voatendry tamin’izay fa herinandro dia hita raha mazava na tsia ny fitsipi-dalao ary handray fanapahan-kevitra mifanandrify amin’izany izy ireo. Olon-dehibe mifanaraka tsara teo an-kianja tamin’izany fotoana izany ary manantena ny vahoaka fa andro vitsy dia hahita fivoarana.
Zava-misy androany :
Misy trangan-javatra mampanahy maromaro ihany andro vitsy izao. Isan’ireny ny fanambarana nataon’I Raharinaivo tsy hilatsahany ho filohan’ny kongresy omaly. Ny mpomba an’I TGV manara-dia azy anefa dia fantatra fa maro an’isa ao anatin’ity andrim-panjakana ity noho izany tsy dia manana atahorana ny tenany raha resaka fifidianana anaty. Ny fanazavana nentiny kosa dia toa efa nanome toerana sahady an’ilay mpanao politika efa “nitono-tena” fa atolotrin’ny Ankolafy RAVALOMANANA ho filohan’ny CT.
Mbola nahagaga ihany koa ny nahataran’ireo CST avy amin’ny Ankolafy RAVALOMANANA androany nefa fantatra fa fifidianana birao maharitra no hatao. Raha ny fantatra mantsy dia io fahatarana io no nararaotin’ny mpifanandrina nanombohana ny fifidianana ka nahalany indray an’I Jly Dolin Rasolosoa hitondra ny etsy Anosy. Mba manontany tena ihany hoe vonona hiady ve ireo voatendry sa variana mivorivory an-toeran-kafa ka sanatria ho diso kajy amin’ny farany. Tsanga-tanana mantsy no atao amin’ireny parlemanta ireny ka raha sanatria ka eo amin’ny fotoana hiresahana ny fiverenan’ny Filoha RAVALOMANANA no … “tara” dia zava-doaza no hiandry.
Domina ihany aloha sao …
Efa betsaka ny lokaloka natao tamin’ny vahoaka mpitolona ary maro no tsy nahatsiaro ny teny nifanaovana rehefa nahazo toerana. Amin’ity indray mitoraka ity hitsara ny vahoaka. Efa nisy rahateo mpanao politika manana ny maha-izy azy sady hajain’ny mpiara-mitolona nanaiky izany fitsarana izany amin’ny fihetsiny hatrizay, ankehitriny ary rahampitso. Adidin’ny rehetra ihany koa ny mifanitsy raha toa misy atahorana hanadino ny antony nitolomana. Tsy mahalala ankoatrin’ny famerenana ny Filoha RAVALOMANANA Marc ny vahoaka ary izay no niaretany ny hasarotana rehetra hatramin’ny 2009. Raha misy ny manana kajy politika hafa inoana fa manana ny maha-izy azy daholo ireo rehetra nahazo andraikitra ka tsy hanao toy ny ratsy tarehy manangata-bady ka ny anaran-dray no ampiasaina. Fehezanteny mba nentin’ny ankamaroan’izy ireo nanakiana ireo namadika ny tolona rahateo izany ka inoana fa tsy hifototra any aminy satria efa noeritreretiny lalina hatrizay.