Flash News: 
Confirmation de soutien au Président Marc Ravalomanana
HMF : fahasahiana no dingana manaraka (+vidéo)
Hetsika Free FM : atao haza lambo ireo mpitarika
Vondron’ny mpanohitra : tsy manaiky ny hamindrana ny Kianjan’ny Demokrasia (+vidéo)
19 Mey 2012 : faritra mena ho an’ny zanak’i Dada ny eny Ambohijatovo (+vidéo)
Radio Fahazavana : son directeur et Lolot Ratsimba condamnés …
VHF-TV : fanambaran-kery sy fiaraha-mihetsika … ho an’ny tetezamita vaovao (+vidéos)
Ry Malagasy, ahirato ny maso ... misy "mafia" eto amintsika
Ankolafy Zafy Albert : tsy hiray tsikombakomba amin’ny mpamita-bahoaka (+vidéos)
Vondron’ny mpanohitra : « Avereno amin’ny vahoaka ny Kianjan’ny demokrasia » (+vidéos)


Isan'ny tanàna nandalo hafanana tao anatin'izao tetezamita tsy ara-dalàna izao i Taolagnaro na Fort-Dauphin. Efa nataon'ny FATE fandalovan'ireo andramena avy amin'ny Faritra Atsimo Atsinanan'ny Nosy manko io toerana io ary na ireo manam-pahefana any amin'ny Faritra Anosy misy azy aza dia voasaringotra ao anatin'izany fanondranana tsy ara-dalàna izany. Ankehitriny anefa dia efa mitondra tara-pahazavana ho an'ireo mponina any an-toerana ny tondro zotra natao sonia farany teo satria hita fa afaka mametraka tontolo hitondra an'i Madagasikara hivoaka ny krizy. Ny indro kely nanaitra ireo solontena tonga eto an-drenivohiatra dia toa tsy nisy resaka "feuille de route" velively ny lahateny nataon'i TGV tamin'ny fiverenany avy tany New York fa zary dokatena no betsaka. Manaitra ny FATE arak'izany ny vahoakan'i Taolagnaro satria mahita izy ireo fa "raha tsy tanteraka ara-bakiteny ny tondro zotra tsy ho tafavoaka ny krizy i Madagasikara".