« Le peuple malagasy est pris en otage. L'État de droit et la démocratie doivent être restaurés. Je demande votre aide pour sauver Madagascar. » Président Marc RAVALOMANANA
Madagascar : jours de dictature. La liberté d'expression est en danger à Madagascar : la Radio Fahazavàna est toujours séquestrée, des prisonniers politiques croupissent illégalement dans les geôles des putschistes, l'opposition est bâillonnée. Libérez la démocratie !Madagascar : jours de dictature. La liberté d'expression est en danger à Madagascar : la Radio Fahazavàna est toujours séquestrée, des prisonniers politiques croupissent illégalement dans les geôles des putschistes, l'opposition est bâillonnée. Libérez la démocratie !
03/06/2010 : Me. Hanitra Razafimanantsoa : "Tsy hanelingelina velively ny "ordre public" ny fisokafan'ny TIKO" (+vidéos)
Ny volana Novambra taona 2009 dia nandresy teo amin’ny Fitsarana ny orinasa TIKO rehefa nangataka ny hamelana malalaka ny fifamezivezen’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny toeram-piasan’ity orinasa ity, ny fampitsaharana ny fandrobana ireo fananan’ny orinasa ary nangataka ihany koa ny hanaovana ny kajy amin’ny fananana norobain’ny FATE sy ny vola mbola tokony haloa amin’ny fanjakana. Nikasa ny hanatanteraka izany didy izany ireo mpisolovavan’ity orinasa ity sy ny vaditany nantsoin’izy ireo tamin’ny herinandro teo.
Antony nahatapakevitra ireo tompon’andraikitra hanatanteraka ny didy ny fitohizan’ny fandrobana ao amin’ity sampan’ny orinasa TIKO ao Taomasina ity. Vao tsy ela akory izay dia menaka tsy voadio aman’aliny litatra maro no nangalarin’ny FATE tao amin’izany toerana izany ary ahiana ho natao anaty tavoahangy sy amidy amin’ny mpiray tanindrazana. Efa tapitra anefa ny fe-potoana afaka anjifana azy io ka hitera-doza ho an’izay mampiasa azy. Nandray andraikitra avy hatrany ary ny TIKO satria tarigetrany ny hanasoa ny mpiara-belona fa tsy hanapoizina mpiray tanindrazana akory.
Teo am-panatanterahana ny asa anefa dia nahazo baiko ny hampitsaharana izany ny “procureur général” ao Toamasina.
Rehefa nangataka taratasy mazava ny vaditany avy aty amin’ny TIKO dia nandefa TLO (télégramme lettre officielle) ity tompon’andraikitra ao amin’ny fitsarana ity. “suite aux instructions reçues” no antony voalaza ao anatin’ilay taratasy fa tsy maintsy ampitsaharana izany asa ataon’ny TIKO tany an-toerana izany.
Isan'ny nambaran’ny fitsarana tao Toamasina ho antony ampitsaharana ity fampiharana didy ity ihany koa ny fitandroana ny filaminam-bahoaka. Ny orinasa TIKO anefa dia mahatsapa fa mampilamina ny mpiara-belona ny fanatanterahana izany didy izany. Hitsahatra hatreo ny fivarotana entana tsy manara-penitra angalarina ao amin’ny TIKO Toamasina noh izany hihena ny mety ho tsy fahasalaman’ny mponina any an-toerana. Hampandry fahalemana ny fisian’ireo mpiambina hapetraky ny orinasa satria hitsahatra ny fangalarana. Ho an’ny TIKO arak’izany dia tsy mitombona velively ny “motifs” tao anatin’ilay LTO nalefan’ny fitsarana tao Toamasina.
Rehefa nikorontana noho izany ny Minisitry ny Fitsarana FATE dia nanome baiko ny “procureur general” eto an-drenivohitra. Nandefa taratasy tany amin’ny filohan’ny vaditany ary ity farany. Taratasy mandidy azy ireo tsy hanatanteraka ny “ordonnance N°67 du 14 Avril 2010”. Ity didy hitsivolana ity anefa dia manafoana ny fampiakarana nataon’ny TIKO momba ilay raharaha Magro Ankorondrano. Midika izany tsy mahazo manatanteraka ny asan’ny CCIAA momba ny eny amin’ny Magro Ankorondrano izany ny vaditany rehetra ary dia afaka miverina ao amin’izany toerana izany ny orinasa TIKO. Io ilay hoe rehefa diso matahotra loatra dia manaonao foana amin’ny farany.
Inona ary ny fepetra noraisin’ny vondrona TIKO momba ilay raharaha nitranga tany Toamasina ny herinandro lasa teo?