Mandeha ny resaka amin’izao fotoana izao fa mizara vola ho an’ny mpanakorontana indray ny FATE. Ampiasain’izy ireo amin’izany ireo mpanara-dia ny mpamadika ny tolona sasantsasany. Araka ny vaovao voaray dia lehiben’ny mpandamina ny filaminana teo aloha iray tao amin’ny Magro no mitarika izany hetsika izany ankehitriny rehefa nanaraka an’I Raharinaivo nisitaka ny Ankolafy RAVALOMANANA. Misy ihany koa tanora sasantsasany vao nivoaka ny fonja no voatarika amin’izany hevi-dratsy izany. Ny tanjon’izy ireo araka ny vaovao ihany dia ny hanakarama olona hanao hetsika hitsipaka ny tondro zotra ka hilaza fa “tsy vahaolana io”. Ao anatin’izany hetsika izany dia hiantso ny fandrisan’andraikitry ny “mandatehezana farany” izy ireo handray ny fitondrana sy hanao izay hamahana ny olana eo amin’ny samy Malagasy.
Asa anefa na fifanadrifian-javatra fa efa herinandro maromaro izao no nahenoana fa mety hihetsika ny manamboninahitra ambony sasantsasany ka hiafara amin’ny fanalana an’I tgv ao Ambohitsorohitra izany. Ny tanjona iraisan’ireto hetsika foza roa ireto dia ny hanakanana ny fiverenan’ny Filoha RAVALOMANANA sy hanamafisana ny toeran’I tgv.
Araka ny tsilian-tsofina dia haverin’ny be bôty amin’ny mpanongam-panjakana ihany ny ny fahefana fotoana fohy aorian’ny hetsika hataon’izy ireo ary hambarany fa omena hatramin’ny 2013 ity farany hanatanterahany ny fifidianana eto amin’ny tany sy ny Firenena. Izany hoe fe-potoam-piasana iray tanteraka no omena azy ary ireo olona nokaramaina volaza ery am-boalohany dia hitehaka an’izany rehetra izany. Mbola tsilian-tsofina ihany no nahafantarana fa vola mitentina 2,8 miliara Ariary no nomen’ny Frantsay hanatanterahana izany rehetra izany ary tsy maintsy vitaina mialohan’ny 29 febroary izay andro farany nomen’ny TROIKA hiverenan’ny Filoha RAVALOMANANA raha ela indrindra.
Tsy misy azo hamaivanina izany rehetra izany satria efa fantatra fa ny Frantsay dia tsy mankato ny hiverenan’ny Filoha RAVALOMANANA eto Madagasikara ary maro koa ireo tsy manana fahamatorana politika fa miankina amin’ny vola raisina no ihetsehana ary ireto farany no ampiasain’ny mpanjanaka hanakorontana lalandava ny Firenena.