« Le peuple malagasy est pris en otage. L'État de droit et la démocratie doivent être restaurés. Je demande votre aide pour sauver Madagascar. » Président Marc RAVALOMANANA
Madagascar : jours de dictature. La liberté d'expression est en danger à Madagascar : la Radio Fahazavàna est toujours séquestrée, des prisonniers politiques croupissent illégalement dans les geôles des putschistes, l'opposition est bâillonnée. Libérez la démocratie !Madagascar : jours de dictature. La liberté d'expression est en danger à Madagascar : la Radio Fahazavàna est toujours séquestrée, des prisonniers politiques croupissent illégalement dans les geôles des putschistes, l'opposition est bâillonnée. Libérez la démocratie !
Ny atoandro teo no natolotra tamin’ny fomba ofisialy ireo mpikambana rehetra ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita sy ny Filan-kevitra ambonin’ny tetezamita. Ho an’ny Ankolafy RAVALOMANANA manokana dia fantatra fa toerana 30 no azony ao amin’ny Filan-kevitra ambony raha 57 kosa ny ao amin’ny Kongresy. Raha ny filazan’ny Me. Hanitra Razafimanantsoa dia “tsy mahafapo akory ireo isa ireo saingy ny azahoana ny marimaritra iraisana no tena tanjona tamin’ny fifampiresahana nahitana izao vokatra izao”.
Feon’ny vahoaka Niteraka resa-be eo amin’ny samy mpitolona ity fandrafetana ny listra ho parlemanteran’ny tetezamita ity. Indrindra fa nandeha mafy ny feo fa misy amin’ireo olom-boafidy TIM tsy tazana tao anatin’ny telo taona no nipoitra ankehitriny ary tafiditra ao anatin’izany hatolotra hitondra ny anaran’i Dada izany. Misy ny mieritreritra fa fanaovana zinona ireo rehetra tsy anatin’ny antoko nefa afaka niasa sy niaritra ny mafy izany ka tsy azo ekena. Nitarika savorovoro tao amin’ny foibe teny Belair mihitsy moa ity raharaha ity andro vitsivitsy izao.
Ny hevitrin’ny maro an’isa amin'ny mpitolona dia tsy mbola miala amin’ny laharam-pahamehana dia ny famerenana ny Filoha RAVALOMANANA an-tanindrazana. Izany no mahatonga ny fanehoan-kevitra mirona mankany amin’ny tsy tokony hanaovana izay listra ho parlemantera raha tsy tonga an-tanindrazana ny Filoham-pirenena RAVALOMANANA sy ireo sesitany politika rehetra. Ankoatr’izay dia andrasan’ny maro mafy ny famoahana ireo gadra politika eto an-toerana indrindra fa efa misy Ministra mitondra ny hevitrin’ny Ankolafy RAVALOMANANANA ao anatin’ny governemanta Beriziky.