« Le peuple malagasy est pris en otage. L'État de droit et la démocratie doivent être restaurés. Je demande votre aide pour sauver Madagascar. » Président Marc RAVALOMANANA
Madagascar : jours de dictature. La liberté d'expression est en danger à Madagascar : la Radio Fahazavàna est toujours séquestrée, des prisonniers politiques croupissent illégalement dans les geôles des putschistes, l'opposition est bâillonnée. Libérez la démocratie !Madagascar : jours de dictature. La liberté d'expression est en danger à Madagascar : la Radio Fahazavàna est toujours séquestrée, des prisonniers politiques croupissent illégalement dans les geôles des putschistes, l'opposition est bâillonnée. Libérez la démocratie !
Nanao tatitra mikasika ny zava-misy any anaty andrim-panjakana ny depiote Rodin androany. Izany dia nentiny indrindra nanaporofo tamin’ny vahoaka fa diso tanteraka ny mpamendrofendro sy ny manantsatso. Raha araky ny filazan’ity CST ity manko dia fandresena amin’ny ampahany betsaka ny asa any anaty rafitra. Ireo lalàna rehetra nandalo teny amin’ny parlemanta roa tonta ohatra dia nahitana soritra ny fandresen’ny foto-kevitra izay nitondrana ny tolon’ny mpandala ny ara-dalàna tao anatin’ny telo taona.
Efa nozaraina tamintsika teto fa kasain’ny antenimieran’ny varotra sy ny indostria hamidy ny toerana misy ny Magro eny Ankorondrano. Nambaran’i Rodin Rakotomanjato ary fa nitsipaka izany avy hatrany ny ministry ny varotra Olga Ramalason rehefa nahalala fa efa tapitra ny fe-potoam-piasan’ny biraon’ny CCIAA izay nandefa ny tolo-bidy mikasika ity toerana ity. Araka ny fantatra dia midongy tsy mety miala ireo birao ireo satria efa fomban’ny mpanaraka ny FATE hatrany izany. « Manomboka eto anefa dia ny zanaky ny ara-dalàna no mitondra ny baolina » hoy ny depiote Rodin « ka aoka hahalala oniny ny rehetra ».
Araka ny fampitam-baovao nataon’ny depioten’i Faratsiho Henri Randrianjatovo dia tsy araky ny isan’ny avy amin’ny Ankolafy RAVALOMANANA any anaty andrim-panjakana ny herin’ny foto-kevitra izay entin’izy ireo. Raha nanantena manko ny FATE fa ho mora ny handresy azy ireo any anaty parlemanta dia ny mifanohitra amin’izany no mitranga ankehitriny. Hatramin’ny nidiran’ny Ankolafy tao anaty rafitra dia nihatam-bokany hatrany ny asan’izy ireo araka ny tatitra ihany. Vao androany ohatra no nifarana ny fandinihana momba ny lalàm-pifidianana ary nazahoan’ny Ankolafy RAVALOMANANA fandresana mikasika ny fandaniana ny ankamaroan’ny andininy tao anatin’izany lalàna izany.
Mitombo ny tonga saina … Araka ny nambaran’ity mpikmbana eo anivon’ny filan-kevitra ambonin’ny tetezamita na CST ity dia isan’ny iraka ataon’izy ireo any anatin’ny rafitra ny fandresen-dahatra an’ireo tsy mitovy hevitra. Mahomby izany araka ny nambarany satria raha ny tsangan-tanana androany fotsiny dia 80 mahery no nandresen’ny Ankolafy na dia 30 monja aza ny mpikambana ao amin’ny CST. Tsikaritra ihany koa fa misy ny fifampitondrana efa miha-mahazo laka ao Anosy kely satria na dia ireo tsy nanaiky ny hametrahana ny filoha lefitra faha-fito aza dia mitaky ny hanomezana birao an’i Me. Hanitra Rakotomavo ankehitriny. Manantena arak’izany ny vahoaka fa mandeha tsikelikely saingy tsy ho tara loatra ny fifandresen-dahatra momba ny fahafahan’ny Filoha RAVALOMANANA sy ireo sesitany rehetra mody an-tanindrazana.
Mampikaikaika ny mpiray tanindrazana maro ny nafitsoky ny rivodoza Giovanna. Tsy mbola mafy noho ny vokatry ny fanonganam-panjakana anefa izany saingy ny maha-samy hafa azy dia Giovanna voajanahary fa ny FATE natosiky ny frantsay hanongam-panjakana ho fiarovana ny tombontsoany. Mihevitra azy ho madio tsy misy pentina i tgv sy ny namany nefa odiany tsy hita ny olom-pirenena efa namoy ny ainy noho ny krizy natsangany. Ao ohatra ireo very asa ka zara raha mahavelona ny ankohonany. Ao ireo voatery nampitsahatra ny fiaran’ny kilonga noho ny tsy fahampiana sy ny sisa sy ny sisa.
Izany rehetra izany dia famonoana ankolaka sady misoko miadana izay tsy vitan’i tgv ny nisakana azy. Ankehitriny dia zary mahatsiaro ny andro nitondran’ny Filoha RAVALOMANANA ny vahoaka ary mitaky ny fiverenan’izany Filohany izany hampandroso indray ny toe-karena hiadan’ny ambanilanitra.
"Tsy aritro ny tsy hankahery anareo na dia aty an-tany lavitra aza" hoy ny Filoha RAVALOMANANA raha nitafa mivantana teo amin'ny Kianjan'ny Finoana ny tenany. Niondrika am-panajana manoloana ireo mpiray tanindrazana namoy ny ainy nandritra ny fandalovan'i Giovanna ny tenany ary nankahery ireo maratra sy tsy manan-kialofana noho izany. "Tsaroako fa nisy nanampy betsaka isika tamin'ny fotoana nandalovan'ny rivodoza toy izao" hoy izy nampahatsiahy. Nambarany anefa fa ankehitriny dia tsy manan-katolotra ny FATE satria fitondrana tsy mbola ara-dalàna ka tsy mahazo fanampiana.
Nampitain'ny Filoha RAVALOMANANA ihany koa fa efa niantso Filoham-pirenena maro manerana ny tany ny tenany mba hijery izay azon'izy ireo atao hanampiana ny Malagasy. "Nilaza anefa ireto farany fa tsy maintsy hiera amin'ny fianakaviam-be iraisam-pirenena satria tsy ara-dalàna ny mpitondra eto Madagasikara ka manahirana" hoy ihany ny Filoha. "Arak'izany" hoy izy " dia tsy maintsy ianareo aty an-tanindrazana no mijery izay fomba ahafahana mifanome tanana hanampy ireo tra-boina". Nomarihin'ny Filoha RAVALOMANANA ihany koa fa tsy misy ny fahalalahana miteny eto Madagasikara ka dia voatery ny mpiara-mitolona no niangaviany hampita izao hafatra izao amin'ny mpiray tanindrazana mba hahafantaran'izy ireo fa tsy manadino azy ny Filoha na dia any an-tany lavitra aza.
Amin’izao dingana misy ny raharaha politika eto Madagasikara izao dia tsy maintsy ny Raiamandreny am-panahy no mandray andraikitra handaminana ny olana. Sarotra ho an’ny mpanao politika Malagasy ny mifanantona raha ny fahitana ny olana nefa tsy maintsy misy aloha ny fampihavanana azy ireo vao afaka miroso ny dingana.
Araka ny fampitam-baovao nentin’ny Depiote Jules Andriamaholison teo amin’ny Kianjan’ny Finoana dia hisy ny komity manokana hajoro eo anivon’ny Ankolafy RAVALOMANANA mba hifanantona amin’ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara. Izany dia mba hanentanana ny FFKM hiverina ho mpanelanelana sy mpampihavana mba hahitana ny lalan-kombana. « Tsy tokony ny olana tamin’ny 2009 no atao ho sakana » hoy ny solombavam-bahoaka avy ao amin’ny boriborintany voalohany « fa ny hoavy no banjinina ».
Manam-piniavana ve ? Isan’ny nampanontany tena ny maro ny lahateny nataon’i tgv tamin’ny 07 febroary teo. Tsy nahitana finiavana hamaha ny olana eto amintsika izany fa fireharehana ho manana ny faratampon’ny fahefana sy manan-jo handidy ny ain’ny olom-pirenena manelingelina ny fahefany. Nolazainy tamin’ny izany fa « efa maty » ny Filoha RAVALOMANANA ho azy. Tsy manambany ny ain’ny mpiray tanindrazana akory sanatria fa raha isaina dia mbola maro lavitra noho ny namoy tamin’ny 07 Febroary 2009 ny matin’ny krizy nateraky ny fanonganam-panjakana notarihin’i tgv. Tao ny matin’ny hanoanana, tao ireo nizaka ny vokatry ny tsy fandriam-pahalemana ary maro ny niharan’ny herisetra ka nindaosin’ny fahafatesana noho izany. Noho izany raha misy ny daty tokony ho tsarovana dia anisany ny 26 janoary 2009 no mankaty.
37 taona androany ny namonoana ny Kol. Ratsimandrava tamin’ny nitifirana azy teny Ambohijatovo avaratra. Raha ny filazan’i Mamitiana Ravelonanosy dia tafiditra tao anatin’ny teti-dratsin’ny Frantsay iny fitifirana ny Kol. Ratsimandrava iny. Hatrany amin’ny vanim-potoana faha-mpanjaka dia nampiasa ny tandapa hatrany ny mpanjanaka handrodanana ny mpitondra tsy mitsinjo ny tombontsoany sy tena vonona hametraka avo ny toeran’ny fiandrianam-pirenena Malagasy. Mbola io antony io ihany no nanosika ny menasofina hikotrika ny fanonganana ny Filoha RAVALOMANANA. Mieritreritra manko ny Frantsay fa na dia efa nomena fahaleovan-tena aza ny Malagasy dia tsy maintsy mbola miera sy mifanaraka amin’izy ireo mialohan’ny handray fanapahan-kevitra goavana.
Rehefa namoaka ny paikady « win win » ny Filoha RAVALOMANANA dia nidonan-tsetroka ny mpanjanaka satria tsy mifanojo amin’ny kajin’izy ireo izany. Raha tsy hiresaka afa-tsy ny sehatry ny angovo ohatra dia nikendry ny hanao ampihomamba ny fitrandrahana solika eto amintsika ny Frantsay. Tsy ety tamin’ny Filoha RAVALOMANANA anafe izany satria izy dia nikatsaka ny hametrahana ho fanoitra ho an’ny toe-karena ny fahasamihafan’ny mpiara-miasa amin’ny seham-pihariana isan-tokony.
Ny fandotoana ny fitondrana RAVALOMANANA manontolo dia efa nomanina fotoana maro fa tsy kisendrasendra velively. Eny na dia ny tetika nandrobana sy nandorana an’Antananarivo aza dia efa vita lamina mialoha. NIjoroan’i Olivier Rakotoavazaha vavolombelona fa tsy teto an’drenivohitra mihitsy ny Filoha RAVALOMANANA tamin’io sabotsy 07 febroary io. Nihaona tamin’ny Filoha ny tenany tamin’io andro io, hoy Rakotovazaha, ary nilaza ny Filoha RAVALOMANANA fa « lasa tany amin’ny fampandrosoana avokoa ny ankamaroan’ny volam-panjakana ka zary nihena ny momba ny fitaovan’ny tafika ». Taorian’ny dinika moa dia voalaza fa nandray sidina ho any amin’ny Faritany Mahajanga ny Filoha noho izany dia tsy misy porofo milaza fa izy no nanome baiko ny mpiambina ny Lapa satria manelilngelina ny mpanamory raha mampiasa finday any anaty helikoptera koa tsy afaka nampiasa izany hampitany baiko ny Filoha RAVALOMANANA .
Tsy miaky ny andraikiny tamin’ny 07 Febroary 2009 mihitsy ny mpanongam-panjakana hatreto. Raha ny lahateny nataon’i tgv omaly tamin’ny fahatsiaroavana nakalazain’izy ireo dia mbola mifono fiantsiana sy fandrangitana ary tena tonga hatramin’ny fanozonana ny Filoha RAVALOMANANA mihitsy aza. Nambarany manko fa « efa maty ireny olona ireny ary eo akaikin’ny devoly » raha niresaka izay ampangainy fa tomponantoka ny tenany .
Iray minitra ao anatin’ny horonantsary mirakitra ny zava-nitranga tamin’io sabotsy mena io anefa dia efa ampy hiampangana an’i tgv. Mbola teo amin’ny Kianjan’ny 13 may izy ireo dia efa nanome tso-drano ny mpanara-dia azy indray ity mpanongam-panjkana ity mba haka ny lapan’Ambohitsorohitra satria « an ‘ny vahoaka io ». Ny tanjona teo dia ny hitarika ny olona hitsofoka any amin’ny toerana efa nomanina hisian’ny ‘tires croisés » mba hahazahoana ny mandoto ny tanan’ny Filoha RAVALOMANANA amin’ny ràn’ireto mpiray tanindrazana ireto.
Tondro zotra : nokosehin’i tgv ny andininy faha-03 Talohan’ny 17 septambra dia mbola noraisin’izao tontolo izao ho mpisora-tena toa voatango i tgv. Rehefa natao sonia anefa ny tondro zotra dia napetraka tamin’ny fomba iaraha-mitantana ho filohan’ny tetezamita izy. Ny fihetsika nataony omaly anefa dia manamafy fa tsy mendrika hitondra firenena izy ary mendrika ho kosehina avy hatrany ny andininy faha-03 mametraka azy eo amin’izany toerana izany. Isan’ny tokony hangataka famotsoran-keloka mihitsy i tgv raha ny resaka 07 febroary no jerena. Telo taona lasa izay dia izy no tomponandraikitra tamin’ny nahafaty ireo mpiray tanindrazana natao sorona teny Ambohitsorohitra. Telo taona aty aoriana, ny 07 Febroary 2012 anefa dia manohy ny amboletra sy ny toe-tsaina tsy mihevitra ny mahasoa ny Firenena fa manao azy ho manjaka tokana eto an-tany ka na dia ny ain’ny olombelona aza dia izy no mandidy sy mandahatra izany.
Tsy niloa-bava mihitsy i tgv tamin’ny 26 janoary teo na dia fitsingerenan’ny daty nanirahany ny namany handoro sy handroba aza izany. Mbola maro lavitra noho ilay atao dridrangilo amin’ny haino aman-jery androany anefa ireo namoy ny ainy na mivantana na ankolaka tamin’io alatsinainy mainty io. Tsy misy voakitikitika hatreto ireo tomponantoka tamin’izany satria eo amin’ny fitondrana ilay nitso-drano sy naniraka ary misy porofo mazava izany fa tsy hoe noforonina akory.
Raha tena sahy sy milaza azy fa marina ny FATE dia tokony tsy hisy dinganina toa izany ny tetiandro fa lalovana avokoa izay dingana nataon’ny tantara. Ny raharaha 07 Febroary lalandava no andotoana ny anaran’ny Filoha RAVALOMANANA sy itazomana ireo mpitandro filaminana sasanay any am-ponja nefa ny « lundi noir » odian’ny FATE tsy hita. Na ny dokam-barotra mikasika ny fandihizan’ny FATE teny Ambohitsorohitra androany aza tsy nahitana ny sary tamin’ny 26 janoary 2009 raha tazana tao avokoa ny 10 Aogoristra 1991 sy ny 07 febroary 2009. Miantso ny hamoahana ireo gadra politika ireo tsy misy hatak’andro arak’izany ny fianakaviany sy ireo efa nahazo fahafahana. Tsy sanatria hanakorontana no tanjon’izy ireo fa handamina ny Firenena. Raha mbola misy anefa ny any am-ponja dia ho sarotra ny handamina ny tany satria misy lonilony tsy afaka any ho any.
Henatra ho an'i Madagasikara ny nataon'ny FATE tamin'ny sabotsy teo araka ny lahatenin'ny Filoha RAVALOMANANA. Nambarany fa mametra-panontaniana ireo mpitondra afrikana amin'izao fotoana hoe "ny vadinao koa ve dia atahoran'izy ireo". Nanterin'ny Filoha RAVALOMANANA fa tsy hivaha mihitsy ny olana eto amintsika raha mbola toe-tsaina toa izany no ifampitondrana. Nambarany ihany koa fa "tokony hijery ny Malagasy 20 tapitrisa ny mpanao politika fa tsy entin'ny fitiavan-tena tafahoatra toy izao". "Nalahelo mafy mihitsy i Neny" hoy ny Filoha RAVALOMANANA "satria efa eo ampototry ny fiaramanidina no naverina satria hoe tsy miainga ny sidina raha mitondra azy" noho ny fampitandremana avy aty Madagasikara momba ny fiahiana ny ainy.
Arak'izany dia nampitondra hafatra ho an'ny vahoaka Malagasy Lalao RAVALOMANANA ka ny Minisitry ny varotra Olga Ramalasaona no namaky izany teo amin'ny Kianjan'ny Finoana notronin'ny minsitry ny fitsinjaram-pahefana Ruffine Tsiranana: