« Le peuple malagasy est pris en otage. L'État de droit et la démocratie doivent être restaurés. Je demande votre aide pour sauver Madagascar. » Président Marc RAVALOMANANA
Madagascar : jours de dictature. La liberté d'expression est en danger à Madagascar : la Radio Fahazavàna est toujours séquestrée, des prisonniers politiques croupissent illégalement dans les geôles des putschistes, l'opposition est bâillonnée. Libérez la démocratie !Madagascar : jours de dictature. La liberté d'expression est en danger à Madagascar : la Radio Fahazavàna est toujours séquestrée, des prisonniers politiques croupissent illégalement dans les geôles des putschistes, l'opposition est bâillonnée. Libérez la démocratie !
Tamin’ny taona 2008 dia betsaka no velom-panontaniana ny amin’ny antony nanakatonan’ny filoha Ravalomanana ny Fiangonana Protestanta Vaovao Malagasy (FPVM) fantatry ny maro amin’ny hoe Antaninanandrano. Izany moa no isan’ireo antony nahatonga ireo olona mpino tao amin’ity fiangonana ity tonga maro teny amin’ny Kianjan’ny 13 Mai, nanohana ny TGV ny taona 2009. Ary dia notenenin-dratsy mihitsy moa ny filoha Ravalomanana, lazaina fa devoly, mpilalao ody, .... Ary dia mpiandry avy tamin'ity FPVM ity mihitsy aza moa no isan'ireo namaky ireo ministera niaraka tamin'ny olona avy amin'ny HAT, ary namaky lay tao amin'ny lapan'Ambohitsorohitra.
Telo taona aty aoriana, mivoaka ny marina. Ao ampiangonana, toerana masina, ambara fa itoeran'Andriamanitra ve dia tokony hanaovana zavatra mamoafady sahaka amin'izao?
Sary mety hanafintohina!! Attention des images peuvent heurter la sensibilité de certaines personnes!!
Hatramin’izay nipoiran’ny maso mbola tsy nahita zavatra mamoa-fady sahala amin’izao, indrindra moa fa dia ao ampiangonana no nanaovana azy.
Sary mety hanafintohina!!
Attention des images peuvent heurter la sensibilité de certaines personnes!!
Sarotra be ny hitsara, fa aoka ny rehetra no handinika sy handray ny tandrify azy amin’ity raki-tsary ity. Sanatria tsy natao hanalana baraka olona fa kosa, hampibaribariana ny zava-misy marina, ny Fahamarinana.
Sary mety hanafintohina!!
Attention des images peuvent heurter la sensibilité de certaines personnes!!
Ny tsirairay no aoka hisintona lesona, amin'izao ankatoky ny Noely izao.
Résumé en VF et VA (Traduction libre)
FPVM Antaninanandrano: de l'exorcisme au Visa A Bon nombres de chrétiens se sont interrogés sur la cause de la fermeture de l'église protestante du renouveau malagasy FPVM appelée communément Antaninanandrano. Ravalomanana en personne a été pointé du doigt. Cette église a été fermée en 2008, sous le régime Ravalomanana puis réouverte illico dès l'accession au pouvoir par la force de Andry Rajoelina. En effet en 2009, les membres de cette communauté ont été les fervents partisans de la lutte populaire de TGV sur la place du 13 Mai. Les ''mpiandry'' de cette église ont participé dans toutes les actions initiées par Andry Rajoelina comme la prise des ministères et le palais d'Etat d'Ambohitsorohitra. Ce sont eux qui ont déclarés urbi et orbi que « Ravalomanana était le disciple direct de Satan » en se basant sur quelques objets retrouvés au Palais. Mais ces vidéos démontrent que des ''choses'' se passent au sein de cette FPVM, des ''choses inqualifiables, indignes du nom de Jésus-Christ'', une offense pour les chrétiens, un véritable défi pour ceux qui croient en la Rédemption. Mais ces vidéos démontrent également à quel point les droits de l'Homme et surtout de la femme sont bafoués à Madagascar. Nous ne porterons aucun jugement sur ces ''choses '' mais tout un chacun peut en prendre acte et adopter une position adéquate.
FPVM Antaninanandrano: of the exorcism to the Visa A A lot of Christians wondered about the cause of the closure of the Protestant church of the revival malagasy FPVM called collectively Antaninanandrano. Ravalomanana personally was pointed by the finger. This church was closed in 2008, under the diet Ravalomanana then opened again straightaway from the entry in the power by the strength of Andry Rajoelina. Indeed in 2009, the members of this community were the partisan lovers of the popular fight of TGV on the square of May 13th. The "mpiandry" of this church participated in all the actions introduced by Andry Rajoelina as the taking of ministries and palace of State of Ambohitsorohitra. It is them who declared urbi et orbi that " Ravalomanana was the direct follower of Satan " by basing itself on some objects found to the Palace. But these videos demonstrate that "things" take place within this FPVM, " unqualifiable, despicable things of the name of Jesus Christ ", an insult for the Christians, a real challenge for those who believe in the Redemption. But these videos also demonstrate in which point human rights and especially of the woman are scoffed in Madagascar. We shall concern no judgment these "things" but everyone can note it and adopt an adequate position.
Valo amby folo volana izay no niandrandrantsika rehetra vahaolana maharitra mba ho famahana ny krizy politika eto amin'ny firenena. Indrisy anefa fa dia mbola samy miziriziry amin'ny heviny avy na ny andaniny na ny ankilany, ka ny malagasy no mizaka ny voka-dratsin'ny hambom-po diso toerana izay mitarika fahantrana mangitsokitsoka amin'ny vahoaka.
Manjaka ny tany tsy tan-dalàna sy ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena, manjaka ny fanamparam-pahefana, very fanahy mbola velona na ny mpanao politika na ny mpandraharaha, indrindra ny vahoaka tsy mandady harona satria tsy misy ny fandriam-pahalemana amin'ny lafiny rehetra.
Eo anatrehan'izany dia mahatsiaro manana adidy ny foloalindahy malagasy koa nanapa-kevitra sy mandray izao andraikitra manaraka izao :
- Atomboka ny fampihavanam-pirenena tena izy, tsy misy anilihana na iza na iza - Avoaka ireo rehetra voafonja noho ny antony politika - Antsoina ireo rehetra voasesi-tany any ivelany hiveerina eto an-tanindrazana hiara-hanarina ny tanindrazana iombonana - Rava manomboka izao ny andrim-panjakana rehetra misy ary ny Komity miaramila ho fanavotam-pirenena no mitantana vonjimaika ny raharaha-mpirenena - Ankinina amin'ny sekretera jeneraly ny fampandehanana ny raharaham-panjakana eo amin'ny ministera isan'isany. Koa antsoina ny miaramila sy zandary ary polisy hamonjy ny Toby niaviany avy.
Aoka ho tony isika vahoaka ary hifanome tanana aminay indrindra eo amin'ny lafiny fandriam-pahalemana;
17H05 : Les gendarmes d'Ivato ont lancé des grenades lacrymogènes pour disperser la foule qui a érigé des barrages à l'entrée d'Ivato. La population attend la réaction des militaires de la base RFI.
17H20 : la conférence de presse de Camille Vital prévue pour 15H ne s'est toujours pas tenue : apparemment, elle n'aura pas lieu de sitôt vue la situation qui se bouscule de minute en minute.
17H30: Les éléments de la gendarmerie ont encore usé de leurs grenades lacrymogènes pour disperser la foule.
17H40: On attend incessamment une déclaration des forces qui rallient le camp de Lieutenant Colonel Charles et consorts.
18H: Le Bani IVato devient le camp de base des officiers ayant fait une déclaration. Ces officiers sont dirigés par Le général Raoelina, le général Noel Rakotonanadrasana, le lieutenant colonel Charles et le colonel Coutiti. Le colonel Richard dit Labaomba a rencontré ces officiers.
Dans sa déclaration à la presse, Camille Vital a menacé de prendre des sanctions envers les officiers "putschistes". Madagascar est un état de droit affirme ce PM de ce gouvernement putschiste.
A Ivato, la foule a commencé elle aussi d'user de sa force. Des panneaux publicitaires appartenant à Injet, entreprise de TGV ont été enlevés.
15H20 :Une foule ininterrompue converge vers Ivato après annonce faite par les militaires demandant à la population de venir sur cette localité.
16H00 : BANI - BATAC - RFI sont les camps militaires qui se sont reunis pour faire l'annonce dont les principales revendications sont : la vraie réconciliation inclusive et consensuelle, le retour sans condition de tous les exilés sans distinction. Le camp de RM1 à Analakely est en grande effervescence depuis le début de l'après-midi.
16H20 : Première apparition d'un convoi armé venant de la base RFI qui s'est stationné au niveau de la "Hutte Canadienne", signifiant son soutien à la population venue en masse après l'appel leur demandant de venir vers Ivato. La conférence de presse de Camille Vital qui devait se dérouler à 15H n'a toujours pas commencé.
16H40 : La population venue en masse à Ivato commence à ériger des barrages car des rumeurs d'attaque des éléments de Vital venant du centre ville se propagent. Le Professeur Zafy Albert va faire une déclaration à la villa Elisabeth d'un instant à l'autre
Nanao valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety Mutumwa Mawere sy Brylyne Chitsunge izay mpanolo-tsaina manokana an'ny Filoha RAVALOMANANA . Ankoatra ny famintinana ny tranga androany dia nomelohin'izy ireo ny fanitsahana ny zon'olombelona amin'ny tsy famelana olom-pirenena hivezivezy ao amin'ny tanindrazany. Nambaran'ireto mpanolo-tsaina ireto fa tokony afaka misafidy izay hitondra azy ny Malagasy fa tsy fahefana mandalo no hanakana ny fitiavany ny Filoha RAVALOMANANA.Nanatrika izany valan-dresaka izany ihany koa ny delegasiona notarihin'i Mamy Rakotoarivelo
Tsy afaka niondrana tamin'ny fiaramanidina Lalao Ravalomanana sy ny zanany. Tsy nanaiky ny hitondra azy ny kaompania Air Link noho ny fampitahorana avy amin'ny Fat. Na dia nisy aza ny fialana nenina nataon'ny filoha Marc Ravalomanana, dia tsy afaka nihazo an'i Madagasikara ny fianakaviana Ravalomanana. Hanao valan-dresaka amin'ny mpanao gazety rehefa afaka fotoana fohy ilay mpnaolo-tsaina manokana ny filoha Marc Ravalomanana, eto amin'ny hotel Colbert. Marihina fa mpanao gazety roa avy afrika atsimo sy ilay mpanolo-tsaina no afaka niondrana.
Déclaration d’un membre de l’équipage du vol SA8252
we did operate the flight successfully today even though it was 143 minutes late due waiting for clearance from Madagascar. So we only operated after we had off loaded the ex First Lady on the instruction of South African department of foreign affairs, this as the Malagasy Minister of transport would not assure the safety of the flight if she was on-board.
Araka ny fanambarana nataon'i Mamy Rakotoarivelo tamin'ny vahoaka dia andrasana manodidina ny amin'ny 05 ora hariva indray ny fiaramanidina mety hitondra an'ny vadin'ny Filoha RAVALOMANANA. Nambaran'ny sekretera jeneralin'ny TIM anefa fa tsy mbola voamarina hatreto na ao anaty fiaramanidina i neny na tsia. Novakiany bantsilana ihany koa fa niharan'ny fandrahonana avy amin'ny FATE ny Airlink izay kaompania hitondra an'i Lalao RAVALOMANANA ka nambaran'ny ministeran'ny fitaterana an'ny FATE fa tomponandraikitra amin'ny ain'ireo olona ireo ny Airlink. Marihina fa vory lanona tokoa ny vahoaka ety Ivato amin'izao ora izao.
15H20:
Vaovao
re farany amin'izao ora izao. Hatreto aloha mbola honohono hatrany. Tsy
mbola vaovao ofisialy. Efa niainga ny fiaramanidina raha ny fantatra,
ary any anatiny Lalao Ravalomanana miaraka amin'ny Sarah Ravalomanana sy
zanany ary Thierry Radavidra. Tsy neken'ny fitondrana Afrikana Tatsimo
ny fandrarana nataon'ny ministeran'ny Fat. Nandrahona ity farany hoe
tsy iandraikitra ny fiarovana ny ain'ireo olona ireo raha tonga aty.
Voatery nandray fanapahan-kevitra ny kaompania.Ireo ministra sy Cst ary
Ct avy amin'ny ankolafy Ravalomanana dia efa mivory any anatiny any.
14h 30 :
Araka
ny vaovao voaray dia toa tsy afaka niainga avy any afrika atsimo ny
fiaramanidina nitondra an'i Lalao RAVALOMANANA satria mandeha ny resaka
fa nomen'ny FATE "interdiction de séjour" ny tenany sy ny mpanara-dia
azy. Miandry ety Ivato ny mpitari-tolona sy ny vahoaka amin'izao ora
anoratana izao
12H30:
Efa
manomboka tonga tsikelikely manemitra ny araben'ny
seranam-piaramanidin' Ivato ireo olona tonga hitsena an'ny Ramatoa Lalao
Ravalomanana.Milamina ny vahoaka, hatramin'izao dia tsy hahitana
mpitandro ny filaminana avy amin'ny Emmo Reg ny aty. Ny zandary
miandraikitra ny filaminana eo anivon'ny ADEMA no misava eo am-pidirana
eo amin'ny vavahady ben' ny seranana.
Miaiky ny fahendren'ny Filoha RAVALOMANANA mivady ny ankamaroan'ny Firenena manerana ny tany. Izay no azo lazaina taorian'ny ny fampitam-baovao nentin'ny Filoha RAVALOMANANA tamin'ny vahoaka teo amin'ny Magro androany. Nambarany fa antso an-telefonina avy tamina Filoham-pirenena maro indrindra manerana an'i Afrika no nitso-drano izany fiverenan'ny Renin'ny Malagasy izany. Nambaran'izy ireo fa "fanapahan-kevitra feno fahendrena izany ary manaporofo fa tsy ianao no tsy te-hody any Madagasikara" hoy ireo olo-manan-kaja ireo araka ny nampitain'ny Filoha RAVALOMANANA ihany. Efa fantatry ny SADC sy ny TROIKA ihany koa izao fanapahan-kevitra izao sady nahazo ny fankatoavan'izy ireo ary nidera ny faneken'ny Filoha RAVALOMANANA ny fandaminana mikasika ny fiverenany an-tanindrazana ihany koa izy ireo.
Mikasika ny dian'i Neny kosa dia nambaran'ny Filoha RAVALOMANANA fa efa tomombana avokoa ankehitriny ny mikasika izany ary tsy misy atahorana satria efa nahazo ny fanomezan-toky avy amin'ny tomponandraikitra isan-karazany na any ivelany na aty Madagasikara. Nankasitrahin'ny Filoham-pirenena ny fanomanana ny fitsenan'ny vahoaka Malagasy azy ary mbola namafisiny ny tokony hitoeran'ny fahendrena hatrany amin'ny mpandala ny ara-dalàna. Noderain'ny Filoha RAVALOMANANA moa ny finiavana sy ny fahavitrihan'ny vahoaka tao anatin'ny telo taona maninjitra nitakiana ny fiverenan'ny ara-dalàna mba ahafahana mampandroso indray ny tanindrazana iombonana. Naverimberiny ihany koa fa afaka mifampiresaka amin'ny hery velona rehetra Lalao RAVALOMANANA indrindra raha ny famerenana ny ara-dalàna sy ny hampandrosoana an'i Madagasikara no fototry ny fifanakalozana. Nampahatsiahivin'ny Filoha koa fa efa nandray anjara tamin'ny raharaha politika i Neny tamin'ny ezaka nazahoana ireny fanampiana ho fampitomboana ny fidrana an-tsekoly ho an'ny zaza Malagasy ireny ary isan'ny antony nananganana ny fikambanana "Viavy Tiako" izay tarihiny ny hanamora ny fiainan'ny zaza amam-behivavy eto Madagasikara.
« Tsy miraharaha » mahafehy ny toetran’ny FATE hatramin’ny 2008 no mankaty izany raha ny zava-bitany no jerena. Tsy mba mitsinjo ny mpiara-belona sy ny tanindrazana fa ny mahasoa azy ireo manokana no imasoany. Madiva hifarana anefa izany ankehitriny satria ny zatra mikitrana dia tsy mahay mandamina velively. Amin’izao fotoana izao dia mizotra mankany amin’ny fandresen’ny mpandala ny ara-dalàna ny toe-draharaham-pirenena raha ny fijery azy. Ny fiverenan’ny vadin’ny Filoha RAVALOMANANA ohatra dia hanaporofo amin’izao tontolo izao sy amin’ny Malagasy mbola misalasala fa tena vonona hiverina an-tanindrazana ny Filoha sy ny fianakaviany saingy ny FATE no manao izay tsy hahatanteraka izany.
Tao anatin’ny telo taona mantsy izao dia narangarangan’ny FATE fa matahotra ny fitsarana Malagasy ny Filoha RAVALOMANANA ka tsy sahy miverina fa mamita-bahoaka fotsiny ary nahazakan’izy ireo ny marivo salosana rehetra izany tsaho izany. Ankehitriny dia inoana fa tsy hanao sorona ny vadiny velively ny Filoha fa tsy maintsy hiverina tsy ho ela. Efa nanambara izany rahateo ny tenany androany raha nitafa tamin’ny vahoaka mpandala ny ara-dalàna. Hifarana hatreo ny ny fanjakazakan’ny FATE satria hatramin’ny amboletra rehetra nataony aza efa manomboka tratra avokoa. Miampy ny tahotra ny Filoha RAVALOMANANA izany dia hitarika azy ireo any amin’ny fahaverezana lalindalina kokoa.
“Tsy mitombona ny filazan’ny FATE fa tokony ny CNR na ny komity misahana ny fampihavanam-pirenena no miandraikitra ny famotsoran-keloka” araka ny fanazavan’I Lanto Rabenatoandro loholona avy ao Vakinankaratra. Tsy maintsy olona mitovy zo izay vao afaka mifampiresaka ho izy mba tsy hahatsiaro ahiahy lalandava ny ankilany izay mbola ambany vahoan’ny andaniny. Io fahatsapana fahafahana io no fanoitra hipoiran’ny hevitra hanantsarana nny fiainam-pirenena ka izay no mahatonga ny fianakaviam-be iraisam-pirenena mametraka azy ho laharam-pahamehana.
Andao hararaotina … “Irariana mba ho ity volana febroary ity no hamaranantsika ny tolona” hoy Rabenantoandro Lanto. Dingana farany tsy maintsy atrehina rahateo ny fahatongavan’ny Filoha RAVALOMANANA mba ho tratra ny tanjona nitolomana hatramin’ny taona 2009. Araka ny nambarany moa dia tsapa fa tena efa marefo ny FATE ankehitriny amin’ny zava-mitranga any anaty andrim-panjakana. Tokony hararaotina izany satria tsy afaka hanohitra ny herim-bahoaka intsony izy ireo ary ny mpitolona koa tsy maintsy hiady ho an’ny fandresena hatramin’ny farany.