"I Etazonia dia manohy manohana ny ezaka ataon'ny SADC mba hamahana ny krizy eto Madagasikara. Nahatsikaritra ireo zava-niseho maromaro vao haingana izahay toy ny fiverenana na ny mety hiverenan'ireo sesitany politika araka ny voalazan'ny "soridalana izay mikendry ny hamaranana ny krizy eto Madagasikara" izay nankasitrahan'ny SADC. Manohy miantso ireo vondrona politika izahay mba hiaraka hiasa mba ho tena antoky ny fivoarana makany amin'ny fifidianana malalaka, ara-drariny sy mangarahara, ka hiverenan'ny demokrasia, ny fanjakana ara-dalana, ary ny fanajana tanteraka ny zon'olombelona eto Madagasikara. Mbola mamerina ny antso amin'ireo fitondrana tetezamita eto Madagasikara koa izahay mba hiroso amin'ny ezaka fifampidinihana hatrany mba hanatsarana marina ny fitantanana sy ny fanajana ny zon'olombelona.
Tsy azo ekena ny fampiasana tsy araka ny tokony ho izy na ny fampidirana ny lafiny politika amin'ny asa fitandroana ny filaminana. Tokony tsy hanao fihetsika izay tsapa fa mitsabaka amin'ny politika na mandrahona ireo mpanao politika na ny fiarahamonim-pirenena ny avy ao amin'ny fitandroana ny filaminana.
Manainga ireo ankolafy rehetra I Etazonia mba tsy hanao fihetsika mety hiteraka fifandonana.
Manaraka akaiky ny fivoaran'ny to-draharaha I Etazonia. Ny fianakaviambe iraisam-pirenena dia mitazona ny fitondrana tetezamita ho tompon'andraikitra amin'zay mety tsy fanajana ny zon'olombelona sy tsy fanarahan-dalana eto Madagasikara, anisan'izany ny fanajana ireo dingana famahana ny olana ara-politika".