Actions GTT

Nazava ny fanehoankevitry ny Filoha Ravalomanana teto , omaly maraina manoloana izao dinika famahana ny krizy tanterahina aty Prétoria. “Tsy mbola tsy nisy mihitsy ny fifanarahana mialoha na ny fifanaovan-tsonia mialoha teo amin’ny ankolafy Rajoelina sy ny ankolafy Ravalomanana”, hoyizy. Nohamafisiny koa fa ny Filoha mozambikana teo aloha Joaquim Chissano ihany no mpanelanelana amin’ny famahana tanteraka ny krizy politika any Madagasikara. Nohamafisiny fa ny fanjakana afrikana tatsimo sy ny vondrona Sadc no tena mpikarakara voalohany izao fivoriana fampihaonana ny ankolafy efatra avy any Madagasikara izao. Ny Filoha afrikana tatsimo Jacob Zuma, mpanamora ny fihaonana. Mazava rahateo ny fitsipiky ny vondrona Sadc fa tsy afaka mitarika fihaonana fanelanelanana toy izao ny filoha am-perinasa amina firenena iray fa tsy maintsy filoha teo aloha amin’ny firenena eoanivon’ny Sadc ihany no mitarika izany. Misy ihany koa ny fitsipika tsy maintsy arahin’ny rehetra, araka ny nambaran’ny Filoha Ravalomanana. Nangataka fihaonana tamiko afakomaly ny sekreteram-panjakana frantsay misahana ny fiaraha-miasa Alain Joyandet sy ny Ambasadaoro amerikana any Madagasikara Niels Marquardt fa tsy afaka noraisiko satria tsy azo atao izany noho ny fitsipika amin’ny fanelanelanana na koa koa mety mampandringa ny fanelanelanana izany. Hentitra nyFiloha Ravalomanana manoloana izao dinikaizao. “ Ny fifanarahana efa tapaka sy natao sonia tany Maputo tamin’ny alalan’ny Maputo sy ny tovana fanampiny tany Addis-Ababa ihany no iaingana. Raha tsy izany dia tsy misy dikany ny zavatra atao aty. Tsy Filohan’ny tetezamita Atoa Andry Rajoelina, sy ny sisa… Momba ny Amin’izao fifampidinihana ho famahana ny krizy politika any Madagasikara izao dia tsy misy ny tena fandaharam-potoana hoe amin’izao ora izao dia izao no atao. Ny misy diamifandimby mihaonana amin’ny mpanelanelana ny filoha Chissano sy ny mpanamora izany fhaonana izany ny filohan’ny ankolafy 4, ny amin’izao fotoana izao dia mifandimby mihaona amin’Atoa Andry Rajoelina, ny filoha Marc Ravalomannana ary ny Profesora Zafy Albert izy ireo. Ny amiraly Didier Ratsiraka dia mbola tsy tonga eto Pretoria, raha ny vaovao azo farany dia amin’ny 3 ora tolakandro eto Pretoria izy no ho tonga aty Afrika Atsimo. Arak’izany dia mbola hitohy rahampitso ity fampihaonana ho famahana ny krizy any Madaghasikara ity.
Syndiquer le contenu