« Le peuple malagasy est pris en otage. L'État de droit et la démocratie doivent être restaurés. Je demande votre aide pour sauver Madagascar. » Président Marc RAVALOMANANA
Madagascar : jours de dictature. La liberté d'expression est en danger à Madagascar : la Radio Fahazavàna est toujours séquestrée, des prisonniers politiques croupissent illégalement dans les geôles des putschistes, l'opposition est bâillonnée. Libérez la démocratie !Madagascar : jours de dictature. La liberté d'expression est en danger à Madagascar : la Radio Fahazavàna est toujours séquestrée, des prisonniers politiques croupissent illégalement dans les geôles des putschistes, l'opposition est bâillonnée. Libérez la démocratie !
Nokakerin’ny ambokely tiany i Lalatiana Rakotondrazafy sy Fidèle Razara Pierre androany. Raha ny fanenjehana nataon’izy ireo tao amin’ny onjam-peo Viva no nanagadrana ny mpiara-dia amin’ny Filoha RAVALOMANANA taloha dia anjaran’izy ireo no nisantatra ny fizakana ny fofona entona mandatsa-dranomaso androany. Araka ny fanentanana natao tao anatin’ny onjam-peo Free FM tao anatin’ny andro vitsy dia nikasa ny hiditra tao amin’ny Kianjan’ny demokrasia koa izy mianadahy sy ireo mpanara-dia azy androany saingy tsy tanteraka izany. Vao maraina dia efa tomefy hery famoretana teny Ambohijatovo ary tsy nivonona ny hanokatra ny kianja velively.
Nisy ny fifandraharahana indroa miantaona nataon’ireo mpiara-dia amin’izy miandahy saingy nandamoka hatrany izany. Tamin’ny roa ora sy sasany tolakandro tany ho any vao nigadona teny an-toerana i Fidèle ary nandray fitenenana fotoana fohy. Nahatsiaro voafitaka anefa ireo mpanara-dia azy rehefa nilaza ny hijaona teo amoron-dalana ity mpanentana ity ary dia tsy nanaiky izany ka nirohatra hamonjy ny Kianjan’ny Demokrasia. Teo no nanomboka ny tifitra grenady vary raraka ary dia rifatra nandositra ny mpanao fihetsiketsehana. Raikitra ny fifanenjehana sy ny sakana isan-karazany. Vokany dia efatra no nambaran’ny HJRA fa naratra nandalo tao amin’izy ireo ary 11 voasambotra ka ny dimy mbola notazomina taorian’ny famantarana ny momba azy ireo. Araka ny filazan’ny Jly Baomba dia teknisiana ao amin’ny Free FM ny iray izay ampangaina avy hatrany ho mpiray tsikombakomba satria tra-tehaka niaraka tamin’ny fiara nitondra ilay fanamafisam-peo teny amin’ny manodidina an’Ambodifilao.
Ny lasa tsy fanadino … Raha ny fitakian’ireto mpanentana ireto dia ny fialan’ny ministry ny serasera izay naman’izy ireo taloha ihany no anton’ny hetsika nataon’izy ireo. Araka ny filazany ihany dia manenjika azy ireo i Rolly Mercia satria « sahy milaza ny marina » izy ireo. Tsy fanadino anefa ny fanenjehana sy fankahalana mihoa-papana ataon’i Lalatiana Rakotondrazafy sy Fidèle Razara Pierre amin’ny Filoha RAVALOMANANA sy ny mpiara-dia aminy. Tao anatin’ny roa taona mahery nitoerany teo akaikin’i tgv sy nanaovany ilay fandaharana « anao ny fitenenana » tao amin’ny radio viva dia io fanenjehana ny Filoha RAVALOMANANA io no anton’asany. Na ny harivan’ny hetsika nataony aza dia mbola mitohy hatrany ny fanaratsiana ny Filoha na dia efa nodarohin’ny « namany » lakrimozena aza izy ireo.
Tokony am-pisainana hatrany no itondrana ny tolona fa tsy ho taitra randram-bao ny mpandala ny ara-dalàna ka hiantsampy amin’ny hazo boboka. Matetika ny hetsika toa ireny dia sinema entina hampisaraham-bazana sy handravana ny tolona hamerenana ny Filoha RAVALOMANANA. Ratsy ny « tonga namana vao mavomavo » saingy mila mitovy ny tanjona vao afaka miara-dia sy mifanotrona fa tsy hoe telo taona tsy mitsahatra manenjika fa rehefa matahotra hakatona sy hosamborina dia hoe « andao hiaraka » !
Nahatalanjona ny mponina teto an-drenivohitra rehetra ny zava-nitranga teny amin’ny Kianjan’ny 13 May androany. Tontosa « tsy nisy tomika » ny hetsiky ny vondron’ny mpanohitra ho fankalazana ny fahatsiarovana ny hetsi-bahoaka tamin’ny 13 May 1972. Tsy nisy tomika satria tsy nahitana mpitandro filaminana na iray aza teny Analakely sy ny manodidina saingy teny Anosy izy ireo no tazan’ny mpandalo nanao karatra tao anaty fiara toy ny fanaony. Nanomboka tamin’ny 02 ora sy sasany tolakandro anefa ny hetsika notarihin’i Lalatiana Ravololomanana sy ny namany ary afaka nidina avy any amin’ny « esplanade » nihazo ny Kianjan’ny 13 May izy ireo nametraka ny fehezam-boninkazo teo amin’ny vavahadin’ny rano mifitsitra (jet d’eau) manoloana ny lapan’ny tanàna.
Taorian’izay dia niriaria tsara teo amin’ity Kianja ity ny olom-pirenena nanaraka izany hetsika izany ary nisy mihitsy aza ny nahavita nandoro koadiarana teo amin’ny sampanana manoloana ny IFM na CCAC teo aloha ho fanehoana ny tsy fankasitrahana ny fitondrana saingy tsy nahataitra ny EMMO izany.
Mazava ny resaka … Tsy ela akory fa vao omaly dia namoahana ireo fiara tsy mataho-dalana vaovao miaraka amin’ny hery famoretana mirongo basy ny mpanara-dia ny Ankolafy RAVALOMANANA teny Ambohijatovo. Ny Kianja notokanan’i tgv ho an’ny Demokrasia anefa no nangatahin’ny mpandala ny ara-dalàna saingy tsy nomena izany. Nandritra ny dian’ny vahaoaka nihazo an’i Magro dia nobahanan’ny hery famoretana avokoa ireo sampanana mihazo ny Kianjan’ny 13 May rehetra mba tsy hisian’ny olona afaka hivily lalana hihazo izany kianja izany. Mazava izao fa toy ny fahavalo mihitsy ny fijerin’ny FATE sy ny mpanara-dia azy ny Ankolafy RAVALOMANANA ary tsy azony leferina izay mety ho fanehoan-kevitra eo ambany fiahian’izany firehena politika izany noho ny fahatahorany azy. Ny EMMOREG manokana dia hentitra mihitsy amin’ny fanatanterahana izany baikon’ny mpanongam-panjakana izany ary voaporofo tao anatin’ny telo taona izany. Anjaran’ny Ankolafy RAVALOMANANA izany no mieritreritra na mbola manana antenaina amin’i tgv sy ny mpanara-dia azy izy ireo na tsia. Androany aloha dia namaly ny antson’ity vondron’ny mpanohitra ity ihany koa ny Ankolafy ka ny Me. Hanitra Razafimanantsoa no nitarika ny delegasiona tamin’izany.
Miha-mafy hatrany ny hetsiky ny mpianatra eto Antananarivo raha ny fahitana azy. Manampy ny fitakian’ireo mpampianatra izy ireo mba ahafahany miverina mianatra haingana. Androany ary raha niezaka naneho hevitra teny Anosy sy ny manodidina izy ireo dia nifanehitra tamin’ny EMMOREG. Raikitra ary ny fifanenjehana ary dia niafara tamin’ny fisamborana mpianatra avy any amin’ny LTPS Alarobia iray. Fisamborana izay niainga tamin’ny tondro molotra raha ny filazan’ireo mpianatra nanao fihetsiketsehana.
Hita mbola ao anatin’ny heriny tanteraka ireto mpianatra ireto ary manana ny fahasahiana mandray andraikitra rehefa ny hoaviny no voatohitohina. Na dia niezaka naneho fampihorohoroana niaraka amin’ny saron-tava sy ny fiadiana mahery vaika aza ny EMMOREG dia sahin’ireo tanora ny nifanazava tamin’izy ireo sy nilaza ny fitakiany imasoimaso.
15H34 : Miomana ny hihazo ny kianjan'ny 13 Mai ny vahoaka, rehefa avy nihaino ny toromarika tao amin'ny Kianja. Ny filoha lefitry ny CST, Hanitra Razafimanantsoa, no mitarika. Ny filohan'ny Ct Mamy Rakotoarivelo dia tojo tsy fahasalamana. Ary raha ny vaovao voaray, dia voaantso eny amin'ny Cour Criminelle ordinaire ny filohan'ny CT ny 18 Mai ho avy izao.
15H50 : Tonga eo amin'ny Kianjan'ny 13 Mai ireo mpitolona, mbola tsy misy mpitandro ny filaminana hatreto.
16H00 : Efa nipody niverina any amin'ny Magro ny mpitolona. Nilamina tsara ny fihetsiketsehana. Tsy nisy zavatra simba na fandrobàna. Be ny olona nanampy teny an-dàlana. Fampisehoan-kery voalohany izay.
Iza no mpanakorontana ???
Voaporofo androany fa ny EMMOREG no mpanakorontana fa tsy ny vahoaka mpandala ny ara-dalàna. Tsy nisy fioharam-pefy na dia bitika aza nandritra ny fotoana nivoahan'ny mpiara-dia amin'ny Filoha RAVALOMANANA teny amin'ny Kianjan'ny 13 May. Afaka naneho hevitra tamim-pilaminana tamin'ireo rehetra nifanojo taminy izy ireo ary santatra ihany izany satria tsy hijanona intsony ny tolona. Efa niarahan'ny rehetra niaiky fa tsy ampy ny mitaky ao anatin'ny Magro fa ilaina ny mizara izany amin'ny mpiara-belona rehetra sady maneho fahasahiana mba ho fanentanana ny mpiara-belona.
Tsy fotoanan'ny fanaovana "ariary zato am-pandriana" araka ny fitenena intsony izao fa andron'ny fandraisana andraikitra hanavotana ny Firenena. Rahampitso ary dia hanotrona ireo maherifon'ny raharaha FIGN eny amin'ny lapan'ny fitsarana Anosy ny vahoaka. Ankoatran'ny maha-fotoana ifanomezan'ny rehetra anohizana ny fivoahan'ny tolona dia endrika fitakiana ny fampiharana ny tondro zotra io hetsika io ary ho fanehoana amin'izao tontolo izao fa afaka mandray andraikitra ny Malagasy rehefa tsy misy vonona ny hanampy azy amin'ny famonjena ny Tanindrazany. Hivadika ho hery ny fahasahiana nivoaka ny Kianja'ny Finoana androany taorian'ny famoretana nahazo ny zanak'i Dada tamin'ny sabotsy teo ary antso ho an'ny mpiara-belona rehetra izany satria iaraha-manana ny Firenena.
11H35 :
Efa feno olona ny eny Ambohijatovo sy ny manodidina. Bahanan'ny
mpitandro ny filaminana ny vavahadin'ny Kianjan'ny demokrasia.
Maherin'ny 20 ny fiara mataho-dàlana, ary maherin'ny 10 ny kamio feno
mpitandro ny filaminana. Misy GSIS ihany koa eran'ny tànana, toa efa
miomana sahady ny hampiasa hery amin'ny vahoaka.
12H18 : Efa tonga eny Analakely ny andiany voalohany amin'ireo Ct sy Cst.
13H10 : Mamoaka "banderoles" ny mpitolona ary miodidina ny tsangambaton'ny 29 marsa. " Filoha Ravalomanana ny fanavotana ny Malagasy", santionan'izany banderole izany.
14H40 : Tonga eny Ambohijatovo ny filohan'ny CT, Mamy Rakotoarivelo, Me Hanitra Razafimanantsoa ary Zafilahy Stanislas .
14H59
: Raikitra ny fanapoahana baomba fandatsahan-dranomaso efa ho 30
miaraka amin'ny grenade assourdissante 2. Nanapoahan'ny mpitandro ny
filaminana izany ihany ny filohan'ny Ct Mamy Rakotoarivelo sy ireo
ministra, Cst ary Ct ny ankolafy Ravalomanana. Niparitaka ny vahoaka ary
henjehin'ny mpitandro ny filaminana eran'ny tànana, hatreny amin'ny 13
mai.
Efa 5m tsy hahavakian'ny sakan'ny mpitandro ny filaminana no narefotra ireo baomba manempotra sy mandatsa-dranomaso
15H14 : Olona iray no voasambotra ireo mpitandro ny filaminana. Mitohy ny fanenjehana ny vahoaka.
15H18 : Tonga eny Ambohijatovo ny lehiben'ny Bureau de Liaison Sadc,Sandile Schalk. Mitady ny lehiben'ny Emmo Reg.
15H30 : Vaovao mila hamarinina.
Nisy
zaza latsaky ny herintaona, tratry ny lakrimozena ary avy dia sempotra.
Nisy ramatoa roa nianjera vokatry ny fanenjehana ny iray tsy hita ny
iray avotry ny olona.
Tazana teny indray ilay mersenaran'ny FATE :
15H56 : Manomboka miverina tsikelikely eny Ambohijatovo ny olona.
16H25 : Mitohy ny fisamborana. Sivily iray indray izao no voasambotra
17H20:
Olona 40 naratra ary iray namoy ny ainy. Io no vokatry vonjimaika ny
tolona androany raha ny nambaran'i Mamy Rakotoarivelo, araka ny tatitra
avy any amin'ny HJRA.
Olona iray no naratra mafy teo amin'ny tongony teny Ambohijatovo androany vokatry ny tifitra nahazo azy. Tsy mbola fantatra aloha ny zavatra nahavoa azy na bala tena izy na tsia fa raha ny dian'ny ratra eny aminy dia tsy lehibe toy ny "grenade lacrymogène" no nahavoa azy fa toy ny diam-bala. Nijininika ny rà ary mpitolona niaraka taminy no niangavy fiara iray hitondra azy tany amin'ny toeram-pitsaboana akaiky indrindra. Ankoatra izay dia nirefodrefotra tsy nifankahitana ny baomba mandatsa-dranomaso nandravan'ny hery famoretana ny vahoaka nanotrona ny Pr. Zafy Albert. Rehefa tsy tafiditra tao anaty Kianjan'Ambohijatovo manko ity Filoham-pirenena teo aloha ity dia nitety ny toerana nisy ny vahoaka hanambara tamin'izy ireo fa "fanombohana ny androany fa tsy faran'ny tolona akory". Nandritra izay no nangatahan'ny vahoaka ny hidinana teny amin'y Kianjan'ny 13 May saingy nilaza ny Profesora fa "tsy mbola androany no hanaovana izany". Tao anatin'izany anefa dia efa raikitra ny tifitra lakrimozena sy poa-basy vitsivitsy ary dia voatery niparitaka ny vahoaka. Hatreto aloha dia tsy fantatra na nisy ny voasambotra na tsia fa io naratra iray io no fantatra fa nizaka ny herisetran'ny FATE indray amin'izao tsingerin-taona faha-telo nitokanan'i TGV ny "kianjan'ny demokrasiany" izao.
Hatreo amin'ny vavahadin'ny "demokrasia" ihany no azon'ny Malagasy aleha fa tsy azony atao ny miditra ao anatiny. Sary azo andikana ny zava-nisy teny Ambohijatovo androany izany ary namafisin'ny mpitari-tolona iray raha saika teo amin'ny tsangam-baton'ny 29 Marsa no nasain'ny hery famoretana nametraka fehezam-boninkazo izy ireo ka hoy izy hoe "Ato (Ambohijatovo) no kianjan'ny demokrasia fa tsy etsy (tsangambato 29 Marsa) koa aleo hapetrakay eo ambavahady ny voninkazo ho hitan'izao tontolo izao fa tsy misy demokrasia eto Madagasikara". Arak'izany dia tsy nosokafan'ny FATE ho an'ny Ankolafy ZAfy sy ny mpanara-dia azy ny kianjan'ny demokrasia izay notokanan'i TGV ho sehatra fanehoan-kevitra tsy mila fangatahan-dalana telo taona lasa izao. Rehefa nifampiresaka ny tomponandraikitra dia nilaza ny Jly Baomba fa tsy manana ny fanalahidy ahafahana mamoha izany kianja izany. Tsy vitan'izany fa ny Pr. Zafy sy ny lehiben'ny delegasiona ao amin'ny Ankolafy tarihiny ihany no afaka nanatanteraka ny fihetsika fa na ny mpiambina akaiky an'ity Filoha teo aloha ity aza dia noroahina tsy afaka miditra amin'ny faritra manoloana izany kianja izany.
Araka ny tatitra nataon'i Miandrisoa Jean Marcel dia nangataka ny hahita maso ny Jly Baomba ny Pr. Zafy rehefa noroahina ireo mpiambina azy. Izany dia mba hisian'ny fifamarafarana amin'ny fiantoahana ny fiaorvana ny tenany. Tsy nanaiky hatramin'ny farany moa ny lehiben'ny CIRGN ary valin-teny tsy mendrika manamboninahitra milaza fa tomponandraikitra eto amin'ny Firenena no nasesiny.
"Fanombohana ny androany fa tsy fiafarana" hoy ny Profesora raha nitafa tamin'ny mpanao gazety ny tenany. Notsoriny fa porofo mitohaka amin'ny tenda ny zava-misy androany raha ny fanosihosena ny demokrasia eto Madagasikara no resahina. "Ity kianja ity" hoy izy " dia notokanana mba azahoana maneho hevitra an-kalalahana tsy mila fangatahana fazahoan-dalana saingy rehefa tonga eo amin'ny fitondrana ny sasany telo taona aty aoriana dia mampihatra jadona". Nambarany moa fa midika avy hatrany fanaovana tsinontsinona ny praiministra izao fanakanana ny hetsika izao satria ity farany, izay tomponandraikitra voalohany amin'ny filaminana, dia efa nanome alalana azy ireo fony niarahaba azy nahatratra ny taona vaovao.
Tamin’ny 2 ora sy 45 minitra no nigadona teo amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena teny Ivato ny zanaky ny filoha Marc Ravalomanana Tojo Ravalomanana sy ny vady andefomandriny, narahin’ny mpitondratenin’ny filoha Ravalomanana, Guy Rivo Randrianarisoa. Tsy nisy olana ny fahatongavany na teo aza ireo olona voakarama nihogahoga ireto vahiny. Faly ny mpiray tanindrazana ary velom-bolo indray amin’ny fahatongavan’ny filoha Ravalomanana. Fanantenana vaovao be no nentin’I Tojo Ravalomanana sy Guy Rivo Randrianarisoa, fanantenana fa ho avy tsy ho ela dada, ary hivaha ny krizy.