« Le peuple malagasy est pris en otage. L'État de droit et la démocratie doivent être restaurés. Je demande votre aide pour sauver Madagascar. » Président Marc RAVALOMANANA
Madagascar : jours de dictature. La liberté d'expression est en danger à Madagascar : la Radio Fahazavàna est toujours séquestrée, des prisonniers politiques croupissent illégalement dans les geôles des putschistes, l'opposition est bâillonnée. Libérez la démocratie !Madagascar : jours de dictature. La liberté d'expression est en danger à Madagascar : la Radio Fahazavàna est toujours séquestrée, des prisonniers politiques croupissent illégalement dans les geôles des putschistes, l'opposition est bâillonnée. Libérez la démocratie !
Voatery najanona ny fihaonambem-pirenena tamin’ny vaomiera roa androany maraina. Foana ny efitrano roa. Nitokona tsy nety nihazo ny CCi Ivato ireo mpizaika avy amin’ny distrika izay natobvy eny amin’ny Lycée Alarobia. Mitaky ny hanomezana azy ireo tambin-karama mitentina 100.000 Ar isan’andro ary isan'olona izy ireo raha 10.000 Ar izany ankehitriny. Io 100.000 Ar io no nampanantenana azy hatramin’ny Alahady. Nidin’ireo mpizaika ny vavahady teny Alarobia ary tsy navelan’izy ireo nisy hiditra tao. Tonga teny an-toerana ny solon-tenan’ny mpikarakara sy ny avy amin'ny ray amandreny mijoro mba handamina saingy niala maina. Tonga teny an-toerana mihitsy avy eo ny Kolonely Richard sy Alain Ramaroson. Saingy tsy resy dohika ireo mpizaika, hany ka nisy ireo mpitarika ny fitakiana no voatery nosamborina ary nampidirina tany anaty fiara saika ho ampidirina am-ponja. Nentina teny amin’ny Fate ny raharaha ka nisy ny baiko voaray. Rehefa natao ny fifampidinihana dia tapaka ary fa dia omena 100.000 Ariary amin’ny fiafaran’ny fihaonambem-pirenena ny mpizaika.
Androany tamin’ny 01 ora sy 20 minitra atoandro no nivoaka ny fonjan’Antanimora I Manoela rehefa avy nigadra nandritry ny telo volana. Hitany avokoa na Antanimora na Tsiafahy. « Tsy mbola niova Manoela ary vao maika hanahirana ny FATE ». Nisaorany manokana ireo mpamadika ny tolom-bahoaka. « Mankasitraka anareo namadika an’i Manoela » hoy izy « fa izay namadika ny Filoha RAVALOMANANA Marc kosa tsy hamelako mihitsy ». Mitohy arak’izany ny tolona ho an’ity mpitarika ny tanora Tiako I Madagasikara any Toliara ity ary mbola naveriny fa “tsy mody any Toliara ny tenany raha tsy manitsaka ny tanin’ Madagasikara sy milatsaka hofidiana ny Filoha RAVALOMANANA Marc ».
Niakatra an-drenivohitra mihitsy ny mpitarika ny Mouvance RAVALOMANANA Marc any Antsiranana noho ny hafanan’ny tolona amin’izao tontolo izao. Nitondra ny hevitr’ireo mpiara-mitolona avy any amin’ny Faritra DIANA izy tamin’izany. « Fanjakan-kalalao ny FATE » hoy i Solo « mandrôbaka fa tsy mba mambôtro”. Ny kadradraka araky ny fanazavany dia tsy mba manorina fa mandany andro manimba. Nitondra tatitra momba ny raharaha bois de rose any amin’ny faritra avaratry ny nosy ny tenany. “Fongana tanteraka ny ati-ala any aminay” hoy izy “ noho ny halatra bolabola ataon’ny FATE”. Araky ny nambarany dia efa nisy tera-tany vahiny niezaka niaro sy nanadihady momba ireo biby sy zava-maniry any DIANA nandritry ny 15 taona. “Toy ny valalan’amboa ny harem-pirenena” hoy ihany ity mpitari-tolona ao DIANA “ka zary ny vahiny no sarotiny alohan’ny tompony”.
Le médiateur du GIC Joachim Chissano refuse l'invitation de la Hat, à la conférence nationale. Pour la communauté internationale, les démarches à l'organisation de cette conférence revêtent encore un caractère unilatéral. Dans cette lettre remise à la MAE, Chissano explique son absence à ce dialogue qui se tiend au CCI Ivato.
1.000 participants à la réunion d'Ivato hébergés au Lycée Technique d'Alarobia ont refusé de rejoindre le CCI ce matin. Ils revendiquent une transparence sur l'organisation de la conférence de la Hat. Pour eux, il est inadmissible que le nombre de participants prévu à 2.000 soit monté à 6.000. Pour eux, ils sont contraints d'une façon ou d'une autre à participer à la réunion et revendiquent ainsi une indemnité de 1.000.000 FMG par jour et par personne. L'EMMOREG, avec le Colonel Richard à sa tête est venu pour intimider ces "grévistes".
Vaky ny resaka. Nitondra fanazavana narahina porofo voarakitra anaty boky ny Profesora Albert Zafy mikasika ny raharaha « bois de rose ». Ny vahoakan’ Antalaha no namoahany voalohany ireto porofo isan-karazany ireto. Mikasika an’io no votoatin’ny lahateniny nandritra ny fitsidiam-paritra nataon’ny ankolafy telo ny tanànan’Antalaha ny Alarobia 15 Septambra 2010.
Nomarihin’ny Profesora fa nangonina avy amin’ny fanadihadiana iraisam-pirenena mahakasika manokana ny fanondranana hazo sarobidy eto Madagasikara natao vao tsy ela akory izay ity boky mirakitra ny lisitry ny tena mpanondrana azy ireo amin’izao fotoana izao sy ny isan’ny hazo voaondrana antsokosoko ary ny toerana handefasana azy ity. Ao anatin’izay indrindra ary no nampiasan’ny mpanadihady mari-drefy iray ka hatramin’ny folo ny mpanondrana kely ka hatramin’ny be indrindra ny “bois de rose” nanomboka ny taona 2001. Nivoaka tao anatin’izay fa ny fitondrana tarihin’I Andry Rajoelina amin’izao fotoana izao no mipetraka amin’ny mari-drefy ambony indrindra ao anatin’izany mpanondrana hazo sarobidy izany. Orinasa akaikin’ny mpitondra amin’izao fotoana izao ihany koa no manaraka azy araka ny fanazavan’ny Profesora. Maro amin’ny mambra ao amin’ny governemanta miaraka amin’andriamatoa Camille Vital no aos anatin’ny lisitra miaraka amina vahiny maro be. Ny olana, hoy ihany izy nanohy ny teniny, dia ny tsy fahafahan’ny faritra sy ny vahoaka ivoahan’ny hazo toa an’Antalaha mampiasa ny vola azo avy amin’ny fitrandrahana ny harena ananany tahaka izao vokatry ny fanaovan’ny mpitondra, indrindra ny mpitondra tsy ara-dalàna amin’izao fotoana izao, ampihimamba ny harem-pirenena. Nanamafy izany avokoa ny solontenan’ny mponina eto Antalaha ka naneho ny tsy fahafaliany ary nitondra ny fitarainany tamin’ireto mpitarika ny Ankolafy telo ireto.