Dia mihosanosana moa izany e ! dia faly anie izany ! Faly amin’ny fahorian’ny vahoaka, mihoby amin’ny ranomasin’ny mpiray tanindrazana. Nisokatra androany ny kaonferansa nasionalin'ny Fate teny amin’ny CCI Ivato. Nisy ny fampianarana hira sy fihestika manokana izay nahatapatsinay ny mpanatrika. “Zazakely mifaly e, zazakely falifaly fa handray vola sy hihinankanina fotsiny nefa handray vola be avy eo”.
Nahoana kosa moa no tsy ho avy ? Hanangan-tànana amin’ny hevitra efa-tinapaka mialoha. Tsy misy zavatra hamakiana loha satria efa fantatra mialoha izay ho resahina. sy tinapaka Ary dia fantatra izao fa dia olona 4000 no tonga raha 2500 no nasaina. Maro amin’ireo mpizaika ary no tsy nahazo ‘’badge’’, maro ireo olona tsy tafiditra an-trano fa nihaino tety an-tokotany.
Nefa tsy maninona izany ô ?
Amin'izao krizy izao, iza kosa moa ny olona tsy ho faly hivory hiantohana ny sakafo, ny toerana hivantanana, ary omena vola 100.000 Ar isan’andro mandritra ny 6 andro ? 2,2 miliara marina tokoa no laniana amin’ity kaonferansa izay tsinjo ety amboalohany fa hi “frikle” hoy ny fiteny.
Tsy hahazo fankatoavana io, tsy nisy masoivoho tonga nanatrika ny lanonana fanokafana.
Fantatra moa fa dia tsy horesahina velively mandritra ity kaonferansan'ireo antoko TGV mivelatra ity ny fifanarahana tany Maputo. Hifantoka tanteraka amin'nyfanekena ny fifanarahana teny Ivato ny resaka rehetra.