« Le peuple malagasy est pris en otage. L'État de droit et la démocratie doivent être restaurés. Je demande votre aide pour sauver Madagascar. » Président Marc RAVALOMANANA
Madagascar : jours de dictature. La liberté d'expression est en danger à Madagascar : la Radio Fahazavàna est toujours séquestrée, des prisonniers politiques croupissent illégalement dans les geôles des putschistes, l'opposition est bâillonnée. Libérez la démocratie !Madagascar : jours de dictature. La liberté d'expression est en danger à Madagascar : la Radio Fahazavàna est toujours séquestrée, des prisonniers politiques croupissent illégalement dans les geôles des putschistes, l'opposition est bâillonnée. Libérez la démocratie !
Tamin’ny 2 ora sy sasany no nahafantatr’ireo mpiasan’ny radio fahazavana 10 mianadahy fa hivoaka ny fonja izy ireo.
Tokony ho tamin’ny 8 ora sy sasany alina teo anefa vao afaka nivoaka ny varavaram-ben’ny fonja izy ireo ary hitodi-doha hamonjy ny akany, rehefa niara-niaina nandritra ny 110 andro tany am-ponja (07 andro tany amin'ny BC, 103 andro tany antanimora).
Fitaintainana ihany aloha ny an’ireo havana aman-tsakaiza sy mpiara-miasa ary ireo tapaka sy namana maro eo amin’ny sehatry ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety. Hivoaka ihany sa tsia? Hahazo ny fahafahana ihany sa dia ho very momoka indray ilay fanantenana. Tsy latsa-danja tamin’izany ihany koa anefa ny an’izy 10 mianadahy.
Tokony ho tamin’ny 8 ora sy sasany, indreny izy 10 mianadahy…
Faly ny rehetra, tao ny latsa-dranomaso tao ny nihorakoraka. Feno ny fo… ka na tanaty aizina sy hatsiaka aza no nifampiarahabana dia tsy nahasakana ny rehetra hiravo izany.
Tsy kivy amin'ny zavatra izay nanjo azy izy 10 mianadahy. Mbola nahavita naneho ny heviny mahakasika ny toe-java misy eto amin'ny firenena. Ary dia nanaiky am-pitiavana ny haneho ny heviny izy ireo, na dia efa tsindrin-daona be ihany aza ireo fianakaviana rehetra.,tanatin'ny aizina mangitsokitsoka Misy ny famelan-kafatra sy ny fanehoan-kevitra avy amin'ny solontenan'izy ireo.
Josiane Ranaivo: "Victime foana ny fahamarinana amin'ny krizy"
Lolot Ratsimba:" Mampigadra ny fanehoana-kevitra eto amintsika"
Jaona Raôly: "Tsy misy firaisan-kina ny mpanao gazety"
Pasteur Tiburce Soavinarivo :" Mendrika ny hahazo fahafahana ny vahoaka Malagasy"
« Raha zato ianareo no tsy tia azy, arivo izahay no mitia azy, raha arivo ianareo no mankahala azy, analiny izahay no hankato azy ». Io no ventin’ny fandraisana fitenenana nataon’ny renim-pianakaviana iray solontenan’ny vehivavy mpandala ny ara-dàlana. Efa dilo loatra ny sofina mahare ny fanaratsiana lava reny atao amin’ny filoha Ravalomanana. Nahitsy fiteny ity renim-pianakaviana ity.
18H: tonga eny Antanimora ny Maître Stephenson. Raha ny vaovao farany dia efa vita sonia ireo taratasy amin'ny fivoahana. Miandry baiko sisa...
Raha tsy misy indray ny fiovana amin'ny ora farany, dia fantatra fa hivoaka ny fonja izao hariva izao ireo mpanao gazety ary teknisiana mpiasan'ny Radio Fahazavana. Miandry ny taratasy rehetra mahakasika ity famotsorana ity izy ireo mialoha ny hivoahany ny fonjan'Antanimora. 111 andro no nanagadrana ireo mpiasan'ny radio Fahazavana ireto, taorian'ny raharaha FIGN.
La
Cour Internationale de Justice, ayant son siège à La Haye vient de
donner un autre coup de massue sur la tête des "dirigeants" de la HAT.
En effet, la CIJ critique la manière dont le régime putschiste traite les
affaires de justice à Madagascar depuis plus d'un an et demi
maintenant. La CIJ déclare que la tenue d'un tribunal jugeant l'affaire
du 7 février 2009 n'est point la compétence d'une cour criminelle
ordinaire. Il n'est donc pas utile de prendre en compte la
décision d'un tel tribunal car il est lui-même incompétent et illégal
par essence dans cette affaire.