« Le peuple malagasy est pris en otage. L'État de droit et la démocratie doivent être restaurés. Je demande votre aide pour sauver Madagascar. » Président Marc RAVALOMANANA
Madagascar : jours de dictature. La liberté d'expression est en danger à Madagascar : la Radio Fahazavàna est toujours séquestrée, des prisonniers politiques croupissent illégalement dans les geôles des putschistes, l'opposition est bâillonnée. Libérez la démocratie !Madagascar : jours de dictature. La liberté d'expression est en danger à Madagascar : la Radio Fahazavàna est toujours séquestrée, des prisonniers politiques croupissent illégalement dans les geôles des putschistes, l'opposition est bâillonnée. Libérez la démocratie !
Tena mahatsikaiky mihitsy ny afitsoky ity TGV ity. Nodradrainy ren-tany ren-danitra fa tsy nisy namokatra ny zavatra nataon'ny filoha Marc Ravalomanana teto Madagasikara, nefa nanomboka tamin'ny fakàna an-keriny ny fahefana dia tsy manan-draharaha afa-tsy ny mandika ny ataon'ny filoha Ravalomanana fotsiny ihany.
Isan’ny nanenjehan’ny foza ny Filoha RAVALOMANANA teny an-dalam-be ny fisian’ny “fonds du Président”. Ankehitriny anefa dia milaza I TGV fa ny tenany mihitsy no hitantana ny vola 100 tapitrisa dolara avy any amin’ny orinasa sinoa WISCO.
Ary ahoana indray ny amin'ity fandaharana vaovao ao amin'ny TVM sy RNM ity ? Copier-coller "ny Tenin'ny Filoham-pirenena" izay fandaharana famakafakana sy serasera ataon'ny filoha Marc Ravalomanana tao amin'ny TVM sy RNM, nampahafantarany ny zava-bita sy izay tetik'asa ho amin'ny ho avy. Lazaina fa famafazan-dainga ny fandaharana “ny tenin’ny Filoham-pirenena” nefa ankehitriny dia io I TGV fa manao ny antsoiny hoe “hono ho aho andriamatoa filoha ?”. Tsy vitan’izay fa natao amin’ny 06 ora hariva toy ny nataon’ny Filoha RAVALOMANANA Marc mihitsy izany fandaharana izany.
Nosoketaina ery ny filoha Ravalomanana ho manao fandaniam-poana raha nividy ny Air Force II, anefa, ilaikely rehefa mandeha mivoaka, mahavita manofa ''Jet privé'' ho azy sy ny forongony. Izany aminy no politikan'ny fitsitsiana.
Ity no tonga amin'ilay fitenenana hoe “milaza tsy tia vary mohaka nefa mahalany masiso iray vilany”. Miezaka mafy ny maka tahaka ny Filoha RAVALOMANANA ity mpanongam-panjakana ity saingy tsy “tonga eo amin’ny lohaliny akory” : iza no tsy mahalala fa izay hala-tahaka vita antandremaka avokoa ? Tsy vitan’izany fa miseho lany ny tsy fahaizana koa dia sahy manamaivana ny fahorian’ny vahoaka ka manome fampanantenana Faritra iray ary sahy milaza fa hampitsahatra ny asa hafa rehetra mba hanatanterahana izany.
Mitanila tanteraka any amin’ny mpanani-dapa ny fitsarana FATE. Vokany ireo rehetra nanao ny andraikiny ka niaro ny ivon’ny fanapahan-kevitra eto amin’ny firenena indray no nohelohina higadra mandram-pahafatiny. Aletiny tanteraka ny Filoha RAVALOMANANA Marc satria matahotra mafy an’ity farany ny mpanongam-panjakana. Amin’izao fotoana dia efa nifindra any amin’ireo jodasy politika izany toetra tsy mendrika izany. Zary sahy manambara ireo mpisandoka ho tompon’ny TIM fa misy mikasa hamono ary mpitari-tolona “légalistes” no tondroina ho mifofo ny ainy. “Efa maty ara-politika ianareo” hoy Raveloson Constant “satria nataon’ny olona entam-barotra hanasoasoana ny ki-fifanarahana nataony”. Nambaran’ity mpitarika ny MFM ity fa “zon’ny vahoaka tanteraka ny manao ampamoaka arahina porofo hitsarana ireo tsy mataho-tody manao ny tsy rariny eto amin’ny firenena”. “Tsy azon’ny vahoaka antenaina fitsarana” hoy izy “koa asa raha hozakanareo ny fitsaram-bahoaka”.