« Le peuple malagasy est pris en otage. L'État de droit et la démocratie doivent être restaurés. Je demande votre aide pour sauver Madagascar. » Président Marc RAVALOMANANA
Madagascar : jours de dictature. La liberté d'expression est en danger à Madagascar : la Radio Fahazavàna est toujours séquestrée, des prisonniers politiques croupissent illégalement dans les geôles des putschistes, l'opposition est bâillonnée. Libérez la démocratie !Madagascar : jours de dictature. La liberté d'expression est en danger à Madagascar : la Radio Fahazavàna est toujours séquestrée, des prisonniers politiques croupissent illégalement dans les geôles des putschistes, l'opposition est bâillonnée. Libérez la démocratie !
04/09/2010: Filoha Ravalomanana: “Fitsaran’olombelona sady fitsarana mitongilana ihany iny”(+Audio) Maro ireo vahoaka no velom-panahiana mikasika ny didim-pitsarana navoakan’ny Fate. Ny mahakasika ny fiverenan’ny filoha eto an-toerana no tena maha be ahiahy. Nankahery ny vahoaka ny filoha ary nanambara fa dia “fitsarana avy amin’ny olombelona, sady fitsarana mitogilana ihany izany”. Nisaotra ireo parlementaires ny filoha amin’ny fandrasain’andraikitra noraisiny.
04/09/2010 : Mihazakazaka marina ny toe-draharaha !(+Audio+ Communiqué) Nafampàna iny faran’ny herinandro iny ary dia tsinjo sahady fa dia manangasanga any ho any ny fandraisan’andraikitr’ireo mpomba ny filoha Marc Ravalomanana izay manomboka tofoka amin’ny famadihana palitao sy ny lainga afafy etsy sy eroa. Andro vitsy taorian’ny nanambaràn’ny filoha Marc Ravalomanana tamin’ny fomba ofisilay ary nosoniaviny fa Fetison Rakoto Andrianirina sy Mamy Rakotoarivelo ihany no afaka miteny amin’ny TIM mandritra ny fifampiraharahana, dia nanomboka niteny avokoa ireo tompon’andraikitra feno ao amin’ny antoko TIM, ilay tena izy. Tsy maintsy niandry ny filoha Marc Ravalomanana niteny ireo mpomba azy vao afaka nilaza ny heviny, izay ilay hoe “manaraka ny fitsipika”. Nivoaka ny fahanginany ireo mpomba ny filoha Ravalomanana, nanambara fa “mbola vonona ny hanaraka ny tenin’ny filoham-pirenena”. Mazava izao ny resaka “mila miaraka amin’ny filoha Ravalomanana, mitovy fijery amin’ny filoha Ravalomanana” vao azo lazaina hoe ‘’ ara-dàlana’’.
03/09/2010 : Vonjy Aina Professeur Raymond Ranjeva : tsy asian'ny Fate sira Ireo mpianatra eny amin’ny anjery manontolo indray ny Zoma lasa teo no nandray ny famelabelaran’ny Professeur Raymond Ranjeva izay efa « recteur » teny taloha. Ny mahakasika ilay « vonjy aina » izay soso-kevitra atolony ivoahana amin’ny krizy no anton’ity fihaonana amin’ny mpianatra Ankatso ity. Ireo mantsy no tanora ho avin’ny firenena ary manana ny ainga vao izay afaka hitondra ny fanantenana vaovao ho an’ I Gasikara. Marihina fa efa ho iray volana izao no nanolorana tamin’ny fomba ofisialy ity vonjy aina ity saingy tsy asian’ny “Fate sira” akory. Tsy nasian-teny akory nandritra ireo diniky ny mpanao politika. Manaporofo izao fa dia matahotra tanteraka ny fidirian’ny Raymond Ranjeva eo amin’ny sehatry ny fitantanana ny firenena TGV. Tsy mahagaga loatra, atahoran’ ny TGV avokoa ireo olona manana fahaiza-manao amin’ny fampandrosoana ny firenena. Tahaka ny atahorany mafy ny filoha Ravalomanana ihany koa.