Nandray fanapahan-kevitra lehibe ireo Filoham-pirenena voafidim-bahoaka mitarika ny Mouvance Madagascar. Mba tsy haha-tompontrano mihono ny vahoaka dia mitondra ny tatitra momba izany i Fetison Rakoto Andrianirina :
"Mijoro ho raiamandreny i Andry Rajoelina, te-ho olon-dehibe izy kanefa ny mampihavana ny malagasy aza tsy hainy, f'angaha moa izy mihevitra fa ny nakany fahefana teo dia ara-dalana ?"
"Nanana ny rariny sy hitsiny ny ankolafy matoa nivoaka tamin'ny Alakamisy teo, hay fitadiavan-tseza no tadiavina teny Vontovorona fa tsy ny famahana ny krizy mianjady amintsika Malagasy izao.Tsy eken'ny ankolafy telo raha fitiavan-tseza toy izany no hitadiavana vahaolana."
"Diso ny filazana fa ny fifidianana ihany no ivoahana amin'ny krizy satria : ny filoha Ratsiraka dia voafidy ara-dalana kanefa naongantsika vahoaka Malagasy, toy izany koa ny filoha Zafy Albert , voafidim-bahoaka tsy nisy hosoka kanefa nahongantsika ihany koa, ny filoha Ravalomanana voafidy ara-dalana sady mamim-bahoaka kanefa mbola nahongantsika indray koa, aoka isika handray andraikitra, matoa isika mijoro tahaka izao dia te hanova ihany koa."
"Voaporofo izao fa ny fitsarana eto dia tsy to teny, ary tsy manana ny lanjany na eto an-toerana na eo anivon'nysehatra iraisam-pirenena."
"Tsy sakana velively ny ankolafy telo, zavatra telo fotsiny no nangatahanay :
1- Mila fahatoniana ny firenena , avoahay ny gadra politika sy ireo mpanao gazety.
2- Ireo mpanao politika maro be , nisy vao tamin'ny herin'andro no niforona dia nilaza fa tsy maintsy manatrika ny adihevitra hamahana ny krizy, hoy izahay ankolafy telo, ianareo aza antoko politika vao niforona omaly, tsy mbola nisedra fifidianana akory aza nidongy sy niady varotra ny hitady ny vahaolana maika fa ny filoha Ravalomanana sy filoha Ratsiraka any ivelany any? avelao hiverina ireo filoha ireo.
3- Nangataka izahay ny hanajanonana ny fitsarana ilay raharaha 07 febroary, kanefa dia nofitahina izahay, nolazaina fa nanome baiko i Vital (PM Fat) hanajanonana ny fitsarana kanefa indrisy fa porofo mitohoka amin'ny tendany, tsy mahatana ny teny nomeny ireo milaza ho mpitondra ireo satria mbola notohizany ihany ilay fitsarana.
"Rehefa nifampiresaka ireo filoha telo lahy dia nilaza fa tsy hamonjy ny fifampiraharahana hitadiavana vahaolana intsony raha tsy milamina ny fifandaminana ifampitondrana izany. Isika tsy hiverina hifampidinika intsony raha tsy efa mipetraka ny fepetra hahazoantsika antoka fa ho tanterahina izay rehetra vita sonia eo, ary azo ampiharina eo no eo.